Actualités

Marais Masay Nahitana fatim-behivavy vao maraina


  • Zoma 14 Aprily 2023

Vehivavy iray fotsy fihodirana manodidina ny 35 taona eo ho eo raha misy no hita faty tetsy amin’ny ranon’i Marais Masay omaly maraina.

Olona sendra nandalo no nahita ilay akanjo mainty natsingevan’ny rano ka nihazakazaka nijery ny zava-misy. Raha araka ny loharanom-baovao moa dia tsy nisy taratasy nahafantarana azy tany amin’ity vehivavy ity. Raha ny hevitry ny olona mahakasika ity tranga ity moa dia tao ireo nilaza fa mety avy niasa ary tratra hariva ity vehivavy ity ka nisy nanolana ary avy eo novonoiny ka natsipiny tao anaty rano ny vatana mangatsiakany. Tao koa ireo nilaza fa mety niaraka tamin’ny naman-dratsy teny amin’iny faritra iny izy ka nivadihan’ireto farany. Na izany aza anefa ny fanadihadiana hataon’ny mpitandro ny filaminana ihany no afaka hanamarina izany.

Marihina moa fa efa tena miharatsy ny fandriampahalemana eto amintsika. Tokony hofadiana hatrany araka izany ny mody hariva indrindra fa raha mandeha irery. Tokony ho mailo ihany koa amin’ireo karazana namana hiarahana hisorohana ny tranga mampalahelo tahaka izao.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fampiakarana ny vatana mangatsiakan-dRatompokovavy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT