Manome 72ora ny SSM

Ahiana hikatso ny asam-panjakana manerana ny Nosy


  • Talata 24 Oktobra 2023

Miantso vahaolana ao anatin’ny 72 ora ny Firaisankinan’ny Sendika eto Madagasikara na ny SSM eo anatrehan’ny

toe-draharaha ara-politika eto, izay ambaran’izy ireo fa lasa loza mandindona ho an’ny tontolon’ny toekarena fa indrindra ny asa. Manamafy ny fitakiana sendika eo anatrehan’ny tsy fanajana sy tsy fanatanterahana didim-pitsarana mikasika ny fanonerana ny fisotroan-dronono, fanerena ankolaka na mivantana ny mpiasa hanao fampielezan-kevitra, fanasaziana ny mpitarika sendika manao fitakiana tsy ara-dalàna,... izy ireo. Tsy mitazam-potsiny ny toe-draharaha politika izay mafampana ary tena iainkinan’ny fiainam-pirenena ihany koa. Milaza noho izany ny SSM fa azo antoka hitondra any anaty krizy lalina hiantraika amin’ny toekarena, mety hiteraka fitsoahan’ny mpampiasa vola, izay hampiakatra ny isan’ny tsy an’asa indray,… ny toe-draharaham-pirenena. Nanapaka araka izany izy ireo araka ny tapaka tao anatin’ny Fivoriambe ny faran’ny herinandro teo, fa mijoro ho elanelam-panahy. Mitaky ny hialana amin’izao krizy izao, ary naneho fa mitovy hevitra amin’ny FFKM, ny Raiamandreny am-panahy, ny mpandraharaha, ary ny Fikambanambe iraisam-pirenena amin’ny tokony hanatanterahana fihaonana an-databatra boribory eo amin’ireo herivelona rehetra eto amin’ny firenena mba hivoahana amin’ny krizy noho izany ny SSM, araka ny fanambarany. Nanao antso ho an’ny Vondrona iraisam-pirenena, ny foloalindahy,ny firaisamonim-pirenena, ny kandida rehetra hiaraka hitarika dinika hitadiavam-bahaoalana ny SSM. Nanome fe-potoana 72 ora ho an’ny mpisehatra rehetra fa indrindra ny fitondram-panjakana, ny miaramila, ny herivelona rehetra mba hifanantona sy hikaon-doha mba hikatsaka vahaolana ho fanavotana ny firenena sy ho fitsinjovana ny mpiasa noho izany izy ireo. Hentitra ny SSM nilaza fa, hiroso amin’ny fanatsaharana tanteraka ny asa manerana ny nosy amin'ny alakamisy raha toa ka tsy miravona ny olona ara-politika misy eto amin’ny firenena. Endrika iray maneho izao, fa tena tafiditra ao anatin’ny krizy politika mialohan’ny fifidianana isika eo anatrehan’ny fitakiana fanadiovana ny kianja politika sy fanjakana tan-dalàna miampy ny famerenana ny fiandrianam-pirenena ho an’ny an-daniny, raha toa miziriziry amin’ny heviny sy miezaka miala bala amin’ny filazana fa fanakorontanana hatrany ny ankilany. Dia tena mbola sahy hilaza ve fa tsy misy krizy eto.
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT