Manome 48 ora ny Sendikan'ny Mpitsara

"Miantso ny Fanjakana sy


  • Alakamisy 23 Oktobra 2025

mpandraharahan'ny fonja hifandinika"

Mampaneno lakolosy mikasika ny olana eny anivon'ny fandraharahana ny fonja miantraika any amin'ny tontolon'ny Fitsarana ny Sendikan'ny Mpitsara eto Madagasikara na ny SMM tarihin'ny Filohany Mbitanarivo Andriantsihorisoa. Miantso ny mpitondra sy ny mpandraharahan' fonja ny SMM, ary nametraka fe-potoana 48 ora hijerena ireo fivangongoan'ny voafonja any amin'ny "violon" tokony halefa eny amin'ny fitsarana na koa tokony hivoaka ny fonja. Nanamafy fa tsy handefitra izy ireo manoloana an’ireo voafonja tsy gadra politika kanefa nivoaka tsy ara-dalàna. Nanipika fa tsy manakana ny fitokonan'ny mpandraharaha fonja anefa ny SMM. Ny mpandraharahan'ny fonja izay tsiahivina fa nampikatso tanteraka ny asa fandraisana ireo gadra, nanomboka tany amin'ny 26 septambra, ampitson'ny nanombohan'ny tolom-bahoaka. Nanamafisany ihany koa ny tolona sendikaly dia ny fitakiana fahazoana Sekreteram-fanjakana miadidy ny fandraharahana ny fonja, notakian'izy ireo hatry ny ela. Mbola namafisin'izy ireo fa tsy mitsahatra ny fitakiana raha tsy hita ao anatin'ny governemanta izay hitsangana ny Sekreteram-panjakana hiadidy azy ireo. Nilaza ny mpandraharahan'ny fonja amin'ny alalan'ny sendika SPAPM omaly fa mankasitraka ny fanambaran'ny SMM miantso fifampidinihana hisian'ny vahaolana fikatsoana, toy ny fivangongoan'ny olona any anaty violon tokony haiditra am-ponja. Nanipika kosa ny SPAPM fa tsisy olana hatramin'izay ireo voafonja nahavita ny saziny na ireo nahafeno fepetra araka ny lalàna hivoaka ny Fonja (taratasy mazava).... Ny fandraisana voafonja sy ny asa miaka-midina eny amin'ny tribonaly no miato mandra-pivalin'ny fitakina. Andrasana ny tohiny...
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT