Ny mpanao politika mifampiaro, ny vahoaka mifafa ny kihony…
Manomboka mipoitra ireo olom-boafidy tsy hitan’ny karatra tao anatin’ny 6 volana nionganan’ny Fitondrana Rajoelina. Nigadona avy any an-tsesin-tany ry Naivo Raholdina izay nobedain’ny mpitandro ny filaminana rehefa tonga teto. Efa nanana fahatokisan-tena fa hilamina sy tsy hisy haninona satria ny tompon’andraikitry ny arofenitra teo anivon’ny Antenimierampirenena no voalaza fa nitsena azy teny Ivato. Nanomboka nipoitra tetsy Tsimbazaza ry Lanto Rakotomanga. Tsy resaka fanenjehana na fankahalana ireny olona ireny, na fiantsoana valifaty politika, fa betsaka ihany ireo raharaha nahasaringotra azy ireny, saingy toa vitavita ho azy, nangina,… Mby aiza ny afera vola roa baoritra ? Nanao ahoana ny tohin’ny raharaha fandripahana ala voajanahary nampiasana sy nanaovana fitaovana ny anaran’ny andrim-panjakana ? Mora manadino ve ny Malagasy sy ny rafitra fitsarana rehefa olona manan-katao, manana vola, manana fahefana, na manana fifandraisana akaiky amin’ny ao anaty fahefana misy no voakasika? Raha ny tantara, dia maro ny tranga nanamarika fa ny “madinika” no voasambotra sy voaheloka haingana, fa ny trondro vaventy na “gros poisson” milamina satria mifanavotra sy mifampiaro ny mpanao politika. Firifiry ireo nanana dosie maloto lasa nialokaloka ao Tsimbazaza amin’ny alalan’ny zo tsy azo henjehina na « immunité parlementaire » ? Mby aiza ny dosie Maharante Jean de Dieu ? Tinoka Roberto izay efa tsy depiote? Tianarivelo Razafimahefa ? Maro ny afera maizina sy fihoaram-pefy, fandikan-dalàna,... Porofo mivaingana ireny tatitry ny Fitsarana momba ny kaonty izay namoaka fa 4000 miliara Ar mahery ny volam-bahoaka voahodinkodina ho an’ny 2025 fotsiny, mainka fa ny tao anatin’ny 7 taona nitondran’i Andry Rajoelina ankoatra ny tany amin’ny tetezamita ? Na izany aza, mbola hita eo amin’ny sehatra politika sy ara-panjakana ny ankamaroany, toy ny tsy nisy na inona na inona. Mbola manjaka ny mety ho fahalemena ara-panjakana sy ara-drafitra, mety ho fampiasana ny fahefana sy vola hanakonana ny marina, ny fifampiarovana politika, na mety ho rafitra fitsaràna mety ho voatsindry, ankoatra ny fialokalofana anaty rafitra,… Ny rafitra ara-pitsarana moa efa navahana ny tribonaly ho an’ny vahoaka madinika nangalatra akoho sy ny an’ny mpitondra ambony mety nanodina vola amina miliara hany ka misy ny any am-ponja avy hatrany, ary misy ny arirarira ao amin’ny antenimierampirenena, hany ka an-taonany tsy misy dosie tonga amin’ny HCJ,… Izany rehetra izany dia manimba ny fitokisan’ny vahoaka amin’ny hoe rahoviana vao tena hanjaka ny rariny na ny “justice” eto amin’ny firenena ? Ny vahoaka kosa, izay mitrongy vao homana, no mbola mameno fonja, ny mpangalatra akoho no mety migadra fa ny manao afera amina miliara milamina hatrany,…
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.