MANOMBOKA MANGATSIAKA NY ANDRO

Tafakatra 200.000 Ar mahery bodofotsy eny an-tsena


  • Alarobia 07 Mey 2025

Manomboka miditra tsikelikely mankany amin’ny vanim-potoanan’ny hatsiaka

isika eto an-drenivohitra ankehitriny. Efa tena mamirifiry tanteraka izany indrindra rehefa hariva sy vao maraina iny, antony mampidangana ny vidin’ireo akanjo mafana sy lamba firakotra eny an-tsena. Ho an’ity farany manokana dia fantatra fa efa tafakatra 200.000 Ar mahery ny iray amin’ny bodofotsy eny an-tsena amin’izao. Misy vaovao izy ireny dia misy friperie ihany koa miankina amin’ny safidin’ny mpividy. Raha araka ny resaka nifanaovana tamina Renim-pianakaviana mpivarotra iray dia hatrany am-potony mihitsy no miakatra ny vidin’ny bodofotsy. Tsy vao tamin’ity taona ity ihany no nisy izany hoy izy fa saika isan-taona mihitsy. Na izany aza dia fantatra fa tsy mbola dia misy mpividy izy ireny. Eo amin’ny 60.000 Ar ka hatramin’ny 100.000 Ar eo ihany mantsy no teti-bolan’ny olona hamidy bodofotsy amin’izao raha betsaka fa ny mihoatra izay tsy misy. Mikasika ny akanjo mafana manokana dia fantatra fa manomboka eo amin’ny 90.000 Ar no hanombanan’ny mpivarotra ny blouson iray amin’izao raha 40.000 Ar eo ho eo ny akanjo ba.
Pati
Legende : Miakatra isan-taona ny vidin’ny bodofotsy !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT