Manomboka lasibatry ny fiakaran’ny trano sahady Antananarivo, kanefa vao manomboka ny fotoam-pahavaratra.
Marina fa mety misy ny fanadiovana sy fisokirana lakandrano, saingy zara raha misy, ankavitsiana,… Tsy ampy ny fiomanana mba tsy hilazana fa tsy misy. Tsy fitanisana ny lasa, fa tamin’ny fitondrana teo aloha, ohatra, dia nisy ny fisokirana ny lakandranon’Andriantany tamin’ny alalan’ny fitaovana lehibe, nanao izay ho afany tamin’ny alalan’ny teo am-pelantanany ny mpitantana satria niaraha-nahalala ny tsy fitovian-kevitra tamin’ny mpitantana satria tratry ny fahiranon’ny fitondrana foibe noho ny tsy fitovian-kevitra politika. Hatramin’ny anjara fanampiana na “subvention” ho an’ny kaominina efa voafaritra aza tsy navoaka. Ankehitriny, efa iray antoko ny ben’ny tanàna sy ny fanjakana foibe, saingy toa ny omaly tsy miova ihany. Maloto sy voretra ny tanàna, tsy voataona ara-potoana ny fako, tsentsina ny lakan-drano,… Adilahy politika lava no miseho ao anatin’ny fiadidian’ny tanàna, ka adino ny fampanantenana, miseho ny olana natao fitaovana nanenjehana ny teo aloha,… Tsy fitia te hitsikera, fa ny Filoham-pirenena izao mihitsy no nilaza, fa ampiana Antananarivo satria maimbo, maloto, voretra. Tsy tena hita aloha izay vokatra mivaingana hatreto, fa zary miverina indray ilay hoe: ny adidinay vita, fa ny SAMVA no tsy maka ny fako, tsy ampy ny kamio,… Tsy misy azo hanilihana intsony amin’izao satria na ny Minisiteran’ny rano, na ny ben’ny tanàna,… dia olon’ny fitondrana avokoa, ka mila vahaolana mafonja sy azo tsapain-tànana ny vahoakan’Antananarivo. Mila tonga saina ihany koa anefa ny vahoaka, izay mpandoto, mpanimba,… izay faly hanome tsiny ny mpitantana avy eo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.