Actualités

Manjakandriana Rongony sy zanaka rongony 50 fototra no tratra


  • Alatsinainy 19 Jona 2023

Voly rongony 45 fototra sy zanaka rongony na pepiniere 5 fototra milanja 4 kilao no nongotana sy nogiazana tany amin’ny distrikan’i Manjakandriana.

Ankoatra ireo dia rongony efa maina 1kg , metaphetamina 500 grama sy heroine na roro 6 grama ary fitaovana fodorohana zava mahadomelina maro ihany koa no nogiazana olona 3 voasambotra nandritra izany. Raha tsiahivina kely dia tratra nandritra ny fisafoana amin'ny alina nataon'ny zandary avy ao amin'ny tobim-paritra Manjakandriana ny lehilahy roa mpivarotra sy mpamatsy rongony ao Manjakandriana izay tafiditra amin’ireo 3 voasambotra ireo. Nitondra "môtô" tamin'ny lalam-pirenena faharoa teo Ampisotroandranomasina, fokontany Fiadanana, kaominina ambonivohitra sy distrikan’i Manjakandriana izy ireo ny 17 jona lasa teo tokony ho tamin'ny 3 ora maraina nefa mikivilavila. Taitra ireo zandary nahita izany ka nitsirika azy ireo avy hatrany. Ny fanadihadiana natao avy eo no nahafantarana fa manana saha fambolena rongony ao Ambavadivato, fokontany Mandraka, kaominina Ambatolaona, distrikan’i Manjakandriana izy ireo hahafahany mamatsy manerana ny distrikan’i Manjakandriana. Nosamborina ihany koa ny mpiandry tanàna sy mpamboly ireo rongony ireo.Rehefa natao koa ny fisavana ny tranon' ireo roalahy voasambotra voalohany tao Besarety Antananarivo renivohitra dia mbola nahatrarana rongony efa maina 400 grama, "métamphétamine" 500 grama ary héroïne na "rôrô" milanja 3 grama hafa ihany koa, miampy fitaovana fidorohana zava-mahadomelina am-polony maro.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireo voly rongony tratra tao Manjakandriana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT