Manjakandriana

"Miala ny Ben'ny tànana TMH jadona sy tia vola!"


  • Zoma 17 Oktobra 2025

Tsy mijanona teo amin'ny fanesorana ny Fanjakana Foibe

teo aloha notarihin'i Andry Rajoelina, fa misy mipaka hatrany ifotony ny fitakiana fanesorana ireo olom-panjakana. Mitsoka tsikelikely ny rivotra famongorana ifotony ireo olona tsy voafidy fa natao an-terisetra ny fametrahana azy. Efa nahitana izany ny fokontany sasany eto Antananarivo toa ny teo Ampanotokana, Fiadananana,... Misintaka kely an'Antananarivo, nidina an-dalambe ihany koa ny vahaoaka ao anatin’ny kaominina ambonivohitr’i Manjakandriana omaly. Mitaky ny fialan’ny ben’ny tanana TMH Solofo Jocelyn Razafindrakoto sy ny ekipany noho ny jadona sy ny fitakiana vola be loatra eo anivon’ny kaominina. Maro ireo ben’ny tanana nifandimby teto Manjakandriana, hoy ireo vahoaka, fa mbola tsy nisy tia vola mihoatra ny ben’ny tanana am-perin’asa ankehitriny. Tsy avela mivarotra ny mpivarotra amoron-dalana, tsy avela mijanona ny taksibrosy avy any Moramanga ary manginy fotsiny ny vola be alaina isaky ny manao taratasy eny anivon’ny kaominina. Tsy hoe izay tiana atao no atao rehefa tonga eo amin’ny toeran’ny ben’ny tanana fa tokony ho tanterahina ny fampanantenana rehetra natao nandritry ny fampielezan-kevitra ary hajanona tsy misy hatak’andro fampanantenana poakaty. Vao niditra teo Manjakandriana ny fitondrana volomboasary dia nanjaka ny jadona hoy hatrany ireo vahoaka; mihena arak’izany ny fidiram-bola satria tsy afaka mivarotra ihany koa ireo mpivarotra avy any Mantasoa. Tsy any Manjakandriana ihany fa na eto Antananarivo aza, dia misy very an-kilahila ny vola tokony hiditra amin’ny kaominina, fa ny ekipan’ny TMH tarihin’ny depiote Rafidimanana Désiré no mifehy ny tsena. Mihatra hatreny ifotony hoy ireo vahoaka ny fanongotana an’i Andry rajoelina sy ny forongony, ary ho an’i Manjakandriana dia miala ny ben’ny tanana volomboasary sy ny forongony. Ankoatra izay, nanampy ny tolona ny mpampianatra, ka nampahatsiahy ihany koa ny fitakian'izy ireo hampiakarana ny "indemnité de logement"-ny ary mitaky ny fampijanonana ny fanaovana tsinotsinona ny mpampianatra koa izy ireo.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT