Satria tsy tafiditra ao anatin’ny fandaharan’asan’ny fanjakana ny fanamboarana ny lalana mamakivaky ny Kaominin’i Manjakandriana, Alarobia Ambatomanga, Miadanandriana, Ambohitrandriamanitra, Merikanjaka, dia noraisin’ny zanaka ampielezana an-tanana ny fanamboarana azy.
Fanangonam-bola avy amin’ireo malalatanana sy ny taranaka avy amin’ireo toerana 5 ireo, izay miparitaka manerana ny Faritra maro eto amin’ny Nosy, sy manerana izao tontolo izao no natao. Mba hahafahana mandrindra ny asa sy manangona izany vola izany dia natsangana ny fikambanana antsoina hoe “Vonjy lalana RIP 67” izay tarihin-dRamatoa Rahantaharisoa Modestine. Mahatratra 42 km ny halaviran’ny lalana asiam-panamboarana izay miainga eo Ambatomanga ka hatrany Merikanjaka. Ny orinasa EBMA no hanao ny asa ka mahatratra 47.500.000 Ariary ny vola holaniana amin’izany. Haharitra eo amin’ny iray volana mahery ny asa fanamboarana. Ny ampahany ihany anefa no hatao tara amin’izany. Mahatsiaro ho faralahy eto amin’ny Faritra Analamanga izahay, hoy Ramatoa Modestine amin’ny asa fampandrosoana noho ny faharatsian’iny lalana iny ka izay no nahatonga ny zanaka ampielezana handray andraikitra. Nanamafy ny antso hanolo tanana amin’izao asa fanamboarana ny “Route d’Intérêt Provincial” n°67 izao ny depiote Rahantasoa Lydia Aimée Vololona. Marihina fa ny alarobia 18 jona 2014 teo, tao Ambatomanga no natomboka tamin’ny fomba ofisialy ny fanokafana ny fanamboarana ny lalana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.