Mpifankatia indray no saron’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena Andriampamaky ny alatsinainy 1 septambra lasa teo noho ny fisolokiana ho mpiasan’ny USAID
. Tonga tany amin’ny distrikan’i Manjakandriana izy ireo io andro io, ka kaominina efatra no lasibatra tamin’izany dia ny kaominina Ankazondady, Andriampamaky, Mangamila ary Ampaneva.
Nilaza izy ireo fa mandray « superviseur » sy « animateur (trice)» izay mikarama 540.000Ar isany ary « contrôleurs » izay mikarama 400.000Ar. Enina isaky ny kaominina no ilainy amin’izany. Olona 35 eo ho eo no efa voasolokin’izy ireo ary vola mitentina 4 hetsy sy 1 tapitrisa ariary no efa azo.
Araka ny voalazan’ireo olona voasoloky dia momba ny fahasalamana, fambolena ary fampandrosoana no tena nilain’ireto olona mpisoloky ireto, ary nampanao fitsapam-pahaizana mihitsy izy ireo taorian’ny fametahana afisy sy fampandrenesana ny manampahefana any amin’ny toerana izay andalovany. Nony nivoaka kosa anefa ny valiny dia nilaza ireto mpisoloky fa tsy maintsy mandoa vola 200.000Ar ireo afaka rehetra izay vao afaka manaraka fiofanana. Nisy ireo nandoa vola feno ary nisy kosa ireo nandoa izay nananany.
Ny zoma sy sabotsy lasa teo no tokony ho nanomboka ny fiofanana nefa tsy tonga ireto mpampiofana. Rehefa nantsoina izy ireo dia tsy azo an-telefaonina, ary teo indrindra no nampandre ny zandary tao Andriampamaky ireto olona voasoloky ireto. Noho ny fiaraha-miasa tamin’ireo olona tsara sitrapo dia tratra tao an-tranony teny Itaosy izy roa ireo ary niaiky ny heloka vitany. Natolotra ny fitsarana ao Anosy omaly alarobia 03 septambra 2014 izy ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.