Actualités

Manjaka ny dahalo any Amparafaravola Miafina any an’ala ny mponina


  • Alakamisy 19 Oktobra 2017

Raha mbola variana amin’ny ady amin’ny pesta sy ny kajikajy politika eny anivon’ny antenimierandoholona sy ny antenimierampirenena ny eto an-drenivohitra dia miaina ao anatin’ny tebiteby sy ny fitaintainana lava ny Malagasy maro any ambanivolo sy ny faritra maro samihafa.

Tafiditra ao anatin’izany ny any amin’ny distrikan’Amparafaravola any amin’ny faritr’Alaotra.Re mantsy fa efa ho tapa-bolana tsy an-kijanona izao no nisy hatrany ny fanafihan-dahalo ao an-toerana na dia misy aza ny ezaka ataon’ny mpitandro ny filaminana; tsy vitan’ny mangalatra omby fotsiny ireto dahalo ireto fa maka izay zavatra hitany ao an-tanàna na kojakoja io na vola ary midaroka sy mamono ihany koa.Mazava ho azy mirongo basy izy  ireo.Tsy mahatohitra azy ireo ny mponina koa maro no efa mitsoaka ary miafina any anaty ala; efa tena tsy fiainana intsony no misy aty hoy ny mponina sasany satria mitaintaina sy matahotra maraina mandra-paharivan’ny andro, ny amin’ny alina moa dia efa tsy hay intsony.Miezaka manao izay tratrany ihany , raha araka ny fampitam-baovao voaray ireo mpitandro filamiana saingy manjaka aloha ny dahalo satria maro an’isa ary hita hoe manana paikadim-panafihana mazava, tsy ampy olona sy fitaovana ihany koa ny mpitandro filaminana ao Amparafaravola ka sahirana tahaka ny mponina ihany koa.Manao antso avo amin’ny mpitondra fanjakana isan-tsokajiny noho izany ireto mponina ao amin’ny distrikan’Amparafaravola ireto fa efa tena mafy loatra ny manjo azy ireo noho ny asan-dahalo.Ary tsy misalasala intsony ireo dahalo miakatra an-tanàna amin’ny fotoana rehetra tian’izy ireo hahatongavana.

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT