Nanamafy omaly, araka ny resaka nifanaovana taminy, ny tale jeneralin’ny minisiteran’ny serasera Atoa Guy Laurent Ramanankamonjy fa orinasa efa tsy misy intsony ny MBS.
Namaly ny fanambarana nataon’ny tale jeneralin’ny MBS Mamy Rakotoarivelo ny talata lasa teo ny DG Com ary nanizingizina fa tsy manaraka ny toetrandro intsony ny taratasy avy any amin’ny « registre du commerce » eny am-pelatanan’ireo mpitantana ity haino aman-jery ity. Foana avy hatrany ao anatin’ny « registre du commerce » 3 taona taorian’ny nandravana azy ny orinasa iray rehefa tsy nanavao ny fisoratany anarana ao amin’ny alalan’ny fanaovana ny antsoina hoe : « inscription modificative », hoy i Guy Laurent R. Manohy ny fanazavana hatrany izy ary milaza fa taorian’ny fahapotehany noho ny savorovoro ny 26 janoary 2009 dia niroso tamin’ny fanafoanana ny MBS ireo mpitantana tamin’izany fotoana ary nanangana orinasa vaovao antsoina hoe Mada Audiovisuel ny 20 febroary 2009. Azo hamarinina eny amin’ny sampandraharahan’ny hetra Mandrosoa ny fisian’io orinasa io, hoy izy. Manizingizina ary ity tale jeneralin’ny serasera ity fa tsy misy intsony ny MBS saingy azon’ireo mpitantana amin’izao fotoana atao ny mangataka fahazoan-dalana na licence vaovao amin’ny anaran’ilay orinasa Mada Audiovisuel ka amboarina izay zavatra tsy mbola manara-dalàna dia ho hita eo ny tohiny. Efa nilaza mazava anefa ny tale jeneralin’ny MBS fa tsy azo ekena ny famoahana taratasy nisintonana ny fahazoan-dalana (licence) ary dia manohy ny fandaharany isan’andro ny onjampeo sy fahitalavitra MBS na dia eo aza ny fisomparana atao aminy. Mbola tantara mitohy, araka izany, ny raharaha MBS.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.