Actualités

Manindry mafy ny FILEFA Miantso hatrany ny Filoham-pirenena mba hihaino azy ireo


  • Alakamisy 09 Martsa 2023

Toy ny fikambanam-behivavy rehetra dia tonga nilahatra naneho ny heriny tetsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina ihany koa omaly ny Fikambanana Leo Fahantrana na ny FILEFA,

tarihin’ny filoha nasionaliny Razafindrakoto Jackye. Miisa 4.000 ireo mpikambana tonga nandray anjara tamin’izany, izay avy amin’ireo Boriborintany miisa 6 mandrafitra ny kaominina Antananarivo renivohitra sy Antananarivo Avaradrano ary Atsimondrano. Nambaran-dRazafindrakoto Jackye nandritra izany fa anisan’ny mbola antso avo hataony hatreto ny tokony handraisan’ny filoham-pirenena azy ireo ka hihainoana ny hetahetany. Hatramin’ny omaly mantsy dia mbola tsy voaray hatrany izy ireo na dia efa nisy aza ny fangatahana nalefa etsy amin’ny lapam-panjakana Ambohitsorohitra. Notsiahiviny hatrany moa fa efa tena leo fahantrana ny Malagasy. Ny fandoavana hofantrano hoy izy no anisan’ny fototry ny olana ka tokony hitadiavan’ny Fitondram-panjakana vahaolana. Ho azy ireo manokana dia efa miezaka manampy ireo mpikambana maniry te-hanana tany sy trano izy ireo hahafahana miady amin’ny fahantrana lalina misy eto amintsika.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT