Actualités

Mangotrangotraka ao Tsimbazaza Rava ny fihaonana tamin’ny governemanta


  • Zoma 30 Jona 2023

Hitohy anio ny fanonganana Birao maharitra Rava ny tsena teny Tsimbazaza! Voalohany, tsy raikitra indray ny fihaonana teo amin’ny governemanta sy ny

antenimierampirenena, kanefa omaly no voafaritra fa hanatanterahana ny adihevitra sy fanontaniana ny governemanta taorian’ny tatitry ny asa vita. Karazan’ny efa fitohizan’ny tsy fifankahazoana tany amin’ny desambra 2022 anefa io. Nivoaka ny governemanta rehefa niandry adin’ny iray satria voalaza fa nisy ny baiko nidina fa foana tanteraka ny fihaonana. Nilaza ny Mpitondra tenin’ny governemanta, fa matoa tonga teny araka ny fotoana nomena hoe: amin’ny 3 ora dia vonona, saingy nilazana fa tsy misy indray ny fametraham-panontaniana. In’efatra nahemotra moa io izay, ary foana tanteraka. Efa tsy nisy fanintsiana ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana, tsy nisy ihany koa ny fametraham-panontaniana ny governemanta,… Tsy efa naman’ny tsy misy ilàna ilay andrim-panjakana intsony ve izany fa toa ady sy krizy lava no miseho? Nosintonin’ny depiote Marco Tsaradia ny taratasy fangatahana hanonganana ny Mpikamban’ny Birao maharitra dia ny Kestora 1 Jean Michel Henri, ny Kestora fahatelo Rabenirina Jean Jacques, ny Filoha Lefitra avy amin’ny faritanin’I Fianarantsoa Brunelle Razafitsiandraofa, ny Filoha lefitra avy amin’ny Faritanin’I Toliara Rabenirina Jean Jacques. Tsy nanaiky ny ankamaroan’ireo depiote, ka ho an’ny IRD dia betsaka no voalaza fa nandà ny fanonganana ny Kestora 1. Nivory adin’ny efatra mihitsy ny depiote IRD ka nahafahana nisintona an’io fangatahana io. Nandeha ihany koa moa ny resaka fa hoe: nisy halatra sonia tamin’ny fametrahana taratasy fangatahana fanonganana io, izay tsiahivina fa efa hatraminy amin’ilay sonia 105 nikasana hanongana ny governemanta no efa nisy an’izany resaka sonia halatra izany ka tsy hay intsony izay tena marina. Tsobo-dranon-dRamiangaly ve ilay fanonganana ka raha narivo dia nirobohana fa rehefa hita fa nanahirana dia nihemorana? Fanonganana Birao maharitra izany ihany koa raha ny fahalalana azy dia tsy mandeha ampahany izany fa miara-miongana dia fidiana indray avy eo ka izay mirotsaka ka mbola lany dia tafaverina. Raha ny nambaran’ny depiote iray, rava tanteraka iny fanonganana iray iny, saingy hitohy anio amin’ny fifaranan’ny fivoriana ara-potoana io resaka fanonganana birao maharitra io!? Ny vahoaka tsy misy mpiraharaha, ny andrim-panjakana misafotofoto tanteraka ireo, miady an-trano,… izay toa efa tondro sy fambara fa akaiky ny faharavana!
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT