Mangotraka ny raharaha Jirama

« Toherina ny sata manono vahoaka, esory ny Tale Jeneraly ! »


  • Alarobia 02 Jolay 2025

Mafampana ny toe-draharaha mikasika ny orinasa Jirama. Nanao fivoriambe izy ireo omaly 01 jolay 2025,

ka nilaza hiditra amin'ny fitokonana ny mpiasan'ny JIRAMA manerana an'i Madagasikara. Nanamafy fa tsy manaiky ny sata vaovao. « Mambotry vahoaka sy hamono ny mpiara-miasa izahay, ka mangataka amin’ny Fanjakana izahay mba hanala an’io sata SA (Société Anonyme) io. Miantso ny mpiasa rehetra hijoro », hoy ny mpitarika. Takian’izy ireo ihany koa ny fialan’ny Tale Jeneraly Ron Weiss. Ny 27 jona no efa nisy fanambaran’izy ireo nilaza fa lalana mitondra any amin’ny « privatisation » an’ny Jirama mitovy amin’ny orinasam-panjakana teo aloha toy ny SOLIMA, TELECOM, RNCFM, AIR Madagascar io ataon’ny Fanjakana io. Ny orinasa Jirama ihany koa dia natao hikarakara vahoaka araka ny sata 75-024, fa tsy orinasa natao fakana tombony ho an’olom-bitsy, ka toherin’ireo mpiasa ity sata ity. « Làlana mitondra any amin’ny makany amin’ny famonoana ny vahoaka Malagasy ny sata vaovao », hoy hatrany ny mpiasan’ny Jirama. Malahelo izahay fa potika tanteraka ny orinasa, potika ny fijarian’ny vahoaka Malagasy, potika ny mpiasa Malagasy sy ireo izay miankin-doha amin’ny Jirama. Nambaran’izy ireo fa mila fahavononana avy amin’ireo mpisehatra sy tompon’andraikitra isan-tsokajiny ny fanarenana, izay mila aseho amin’ny fanapahan-kevitra raisina izay tsy tokony vao mainka hamono. Naneho fa vonona ny mpiasan’ny Jirama rehetra haneho fa afaka miaraka hanarina ny orinasa 100% Malagasy an’ny Fanjakana sy ny vahoaka. Mpiasa eo amin’ny 1037 no voalaza fa hoesorina tsikelikely hampihenana ny vesatry ny Jirama, izay miteraka fahasosorana amin’ny mpiasa. Lazain’ny Fanjakana fa fanalefahana ny isan’ny mpiasa amin’ny alalan’ny fisotroan-dronono sy tsy fanoloana amin’ny toerana sasantsasany, raha hampitomboina kosa ireo teknisianina tena ilaina amin’ny fanatsarana, saingy manahy paikady fandroahana ankolaka ny mpiasa. Andaniny, efa nankatoavin’ny Fanjakana ny ambara fa drafi-panarenana ity orinasa ity. Lazaina fa tsy hisy « privatisation »: tsy hisy fidiran’ny vola na fandraisana anjara avy amin’ny sehatra tsy miankina amin’ny renivola (capital). Ny fanjakana malagasy dia mitazona 100% amin’ny fizaram-bola (actions). Tsy amidy ny anjaran’ny JIRAMA: Manana anjara feno hatrany amin’ny JIRAMA ny fanjakana. Moa ve tsy efa làlana makany amin’izany ny famatorana samihafa ny Jirama amin’ny tsy miankina ? Namafisina fa tsy salama ara-bola sy ara-pitantanana ny JIRAMA. Ohatra, ny vidin’ny famokarana herinaratra 1Kwh dia 1 107 ariary, nefa amidy amin’ny 785 ariary monja, ka mahatonga fatiantoka goavana.
FAMPANANTENANA LAVA…
Lazaina fa tanjona lehibe amin’ity drafi-panarenana ity ny fampihenana ny fiankinana amin’ny solika, izay mandany vola be, amin’ny alalan’ny fananganana toeram-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro manerana ny Nosy, 300 hatramin’ny 700MW. Tsy maintsy arenina amin’ny lafiny ara-bola sy ara-teknika ny JIRAMA mba hahomby sy hahazaka tena: amin’ny alalan’ny fitantanana mangarahara sy mahomby, fanatsarana ny tahan’ny fandoavana faktiora, ary fanatsarana ny fidiram-bola,... Any amin’ny fiafaran’ny taona 2026 no nambara fa ho tsapa ny vokatra amin’ny lafiny kalitao sy fahamatoran’ny famatsiana herinaratra,... raha tanteraka ireo fanamby. Inona moa izany no tena lesoka avy amin’ny mpiasa ao anatin’ny olana sa ny tsy fahombiazan’ny politikam-panjakana, fahaiza-mitantana sy ny kolikoly samihafa? Betsaka ireo fampanantenana fa hatreto mbola tsy misy vokatra ! Tena ny mpiasan’ny Jirama ve no vesatra ary mifanaraka amin’ny politika hampiakarana ny fisitran’ny vahoaka Malagasy herinaratra ho 80% raha 30% eo ankehitriny ?
Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT