Mangotraka ny delestazy

Raikitra indray ny seraserana 105MW tsy tena antenaina…


  • Zoma 12 Septambra 2025

Nankatoavina tao anatin’ny filankevitry ny Minisitra ny alarobia

10 septambra teo ny fitaterana ireo « blocs moteurs » avy Toamasina hiazo an’Ambohimanambola, hananganana ny toby mpihary herinaratra mandeha amin’ny solika hamokatra 105 MW. Nolazaina fa efa andalam-pamaranana ny dingana teknika, ka anisany ny fanamafisana ireo tetezana amin’ny RN2. Nolazaina fa nangataka fanolorantena manokan’ireo Minisitra voakasika i Andry Rajoelina, mba hanafainganana ny fanatanterahana ny tetikasa, lazaina hipaka mivantana amin’ny vahoaka. Omaly, nitarika fivoriana niaraka amin'ireo tompon’andraikitra ingahy Filoha ka nilaza fa laharam-pahamehana ireo asa rehetra mikasika ity tetikasa ity izay hipàka mivantana amin’ny andavanandron'ny vahoaka. Nanome toromarika ireo tompon’andraikitra hanafaingana ny fanatanterahana ity tetikasa ity sy hanamaivana ny dingana ara-taratasy momba izany. Afaka roa herinandro eo no hanomboka ny fitaterana ireo fitaovana vaventy sy saro-pady ilaina amin’ny fananganana izany tobim-pamokarana herinaratra izany avy ao Toamasina makany Ambohimanambola. Tanjona ny hampitomboana ny famokarana herinaratra eto an-drenivohitra indrindra mialohan'ny vanim-potoana ny main-tany, hoy ny seraseram-panjakana. Fomba fanaon’ny Fitondrana Rajoelina ny mody manao fihetsiketsehana sy fivorivoriana rehefa mamay ny delestazy, fa tsy hita izay vokany. Tsy vao omaly sy afak’omaly no nanaovana serasera raha tsy hilaza afatsy ny hoe : hohetsehina avokoa ireo milia mandeha solika ka tsy hisy delestazy amin’ny ora fiasana (amin’ny 6ora maraina ka hatramin’ny 10 ora alina), ny dia nakany Andekaleka ny janoary 2022 fa ho foana afaka 6-8 volana ny delestazy, ny fampanantenana sy nanomezana fe-potoana momba ireo « parcs solaires » 47 manerana ny Nosy,… Tsy hita izay vokay. Na ity 105MW ity aza efa maro ihany izay serasera natao izay ! Voizina ny angovo azo havaozina sy madio, saingy mividy milina brokantera avy any Inde ihany ka asa hanao ahoana ny fandaniana solika amin’io ? Tena hahavaha olana sy hipaka amin’ny fiainam-bahoaka tokoa ve ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT