Actualités

Mangatokana Antanimalandy Sokatra maromaro no hita niparitaka teny amoron-dalana


  • Alatsinainy 24 Jolay 2023

Nahitana sokatra maromaro niparitaka teny amoron-dalana tao Mangatokana Fokontany Antanimalandy, faritra Boeny ny faran’ny herinandro teo.

Nandritra ny fisafoana nataon'ny Polisin'ny FIP no nahatrarana azy ireo. Naterina avy hatrany tany amin'ny biraon'ny DIRED Boeny-Betsiboka ireo sokatra ireo taorian’izany raha manohy ny fanadihadiana mahakasika izao raharaha izao ny Polisy. Misy amin’ireo sokatra moa no mbola salama tsara raha misy koa ireo efa somary reradreraka. Tombanana ho sokatra saika haondrana izy ireo noho izany saingy noho ny antony hafa dia navela tampoka indray. Ny fanadihadian’ny mpitandro ny filaminana ihany moa no tena hamoaka ny marina mikasika ity raharaha ity.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireo ilay sokatra niparitaka tratra

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT