Actualités

Maneso sy mandatsa


  • Alarobia 08 Jolay 2015

Efa nanaitra ireo tompon’andraiki-panjakana isan-tsokajiny ny «Collectif du Citoyen et des Organisations Citoyennes» tamin’ny fanambarana nataony ny 28 mey 2015 mikasika ireo fandikan-dalàna sy fanaparam-pahefana isan-karazany tsy takona afenina.


 Tsy nihaino izany anefa na ny fahefana mpanatanteraka na ry zareo teo anivon’ny andrim-panjakana mpanao lalàna. Ny loza dia toa mitohy hatrany ireo fihetsika  maneso sy mandatsa ny olom-pirenena toa mampiseho fa azy ireo i Madagasikara ka afaka manao izay saim-pantany sy mifanaraka amin’ny sitrapony ireo sokajin’olona nampindramin’ny vahoaka fahefana ireo. Manaporofo izany, ohatra, ny fanamparam-pahefan’ny mpitondra  mpanatanteraka mikasika ny orinasam-pitaterana anabakabaka Malagasy sy ny fanakatonana na fandrarana ireo haino aman-jery hanohy ny asa fampahalalam-baovao. Tsy misy valaka amin’izay ihany koa ny fanararaotam-pahefan’ireo depioten’i Madagasikara manoloana ireo olom-pirenena mpifidy tahaka ilay tranga nandritra ny fitsipaham-pitokisana ny 3 jolay 2015 teo. Aok’izay ny fitiavan-tena sy ny toetra tsy mendrika rehetra nasehon’ireo mpitondra tsy an-kanavaka mba hiverenan’ny fahatokisan’ny olom-pirenena azy ireo, hoy ny fanambarana vaovao avy amin’ny CCOC.

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT