« Tsy noraharahain’ny mpitondra fanjakana mihitsy ny fitarainana nataonay. Efa izahay mpianatra mihitsy no tonga nihaona tamin-dramatoa minisitry ny Fampianarana Ambony ary efa nomeny fampanantenana fa hataon’izy ireo sonia ilay taratasy fanekena andoavana ny volan’ny mpampianatry ny Seces kanefa dia nivadika indray izy ireo »
. Io no fanambarana nataon’ny filohan’ny fikambanan’ny mpianatra avy ao amin’ny sampam-pianarana fitantanana omaly. Noho izany dia nanapa-kevitra ireo mpampiantra ao amin’ny Seces fa tsy handray mpianatra afaka bakalorea aloha amin’ity taona ity fa hiandry amin’ny 2016. Ny volana oktobra mantsy, hono, ny fanjakana vao manam-bola handoavana ny volan’ny Seces ka dia tapaka fa tsy afaka hiandry izany ireo mpampianatra mpikaroka izay nivory omaly teny Ankatso. Tsy faly ary tena tsy afa-po amin’ny zava-miseho ireo mpianatra izay natahotra ny hisian’ny taona fotsy ka dia nanapa-kevitra koa ny hiaraka hanao sit-in amin’ny mpampianatra izy ireo ny zoma ho avy izao. Ny sampana fitantanana sy ny siansa ary ny sampana teknika no efa tena vonona amin’io fihetsehana amin’ny zoma io satria mitovy fomba fijery. Mbola mijanona daholo ny asa fampianarana sy ny asa fikarohana rehetra manerana ny oniversite sy ny foimbem-pikarohana sahanin'ny fanjakana amin’izao fotoana. Manizingizina ihany koa ry zareo Seces fa tsy tompon'antoka amin'izay mety tsy ho fahalavorarian'ny fanadinana BACC amin’ity taona 2015 ity raha hatao tsy miaraka amin'ny fandraisana anjaran'ny olona afaka mitana ny andraikitry ny Président du Jury (Maître de Conférence farafaharatsiny) izany.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.