Maneho hatsaram-panahy ireo Firenena vahiny

Naverin’ny Maorisianina ihany koa ny volamena 25,5 kg


  • Zoma 25 Aprily 2025

Naverin'i Maurice amin’i Madagasikara ireo volamena milanja 25,5 kg izay nisy nanondrana

antsokosoko ka tratra tao amin'ny Nosy Maurice ny 10 jona 2019. Bolongam-bolena 45 eo izany, izay natolotry ny Praiminisitra Maorisiana Navichandra Ramgolan omaly, nandritra ny fihaonana an-tampon'ny COI ampiantranoan’i Madagasikara. Endrika nentina nanamafisana ny firaisankina eo amin’ny Nosy roa tonta. Olona 5 mianaka no niaraka, fa ny 2 no tena nahatrararana ireo volamena, voasaringotra tamin’ity raharaha ity, raha ny fanazavana. Noho ny fifampiresahana tsy tapaka tamin'ny Fadintseranana Maorisianina, izay tafiditra ao anatin’ny fifanarahana roa lafy momba ny fifanampiana ara-pitantanana eo amin’ny sehatry ny fadintseranana (Accord bilatéral d’Assistance Mutuelle Administrative (AMA) dia nahitana fandrosoana goavana ity raharaha narahina nandritra ny dimy taona mahery ity, hoy ny Tale Jeneralin’ny Fadintseranana Malagasy Atoa Lainkana Zafivanona Ernest. Namoaka didy araka izany ny Fitsarana any Maorisy tamin’ny taona 2023 fa ho averina amin’ny Fanjakana Malagasy ireo volamena milanja, ka io natolotra omaly io. Nambara fa naterina avy hatrany any amin’ny Banky Foibe ireo volamena. Tsapa sy tsikaritra ho maneho fahatsaram-panahy amintsika ireo firenena vahiny izay adikan’ny fitondrana ho fahombiazany ara-diplaomasia. Vao ny volana martsa teo no nanaovana serasera fa naverin’i Comores ny volamena 49kg sarona tany aminy ny desambra 2021, naverin’i Thailande ny sokatra sy gidro sarona tany aminy,… Asa haverin'i Afrika Atsimo mandritra ny fihaonamben’ny SADC hatao eto ihany koa ve ilay 73kg voageja any ? Ary mba manao ahoana ihany koa ny tohiny mikasika ireo boaderozy naondrana tamin’ny andron’ny tetezamita sa efa resaka hafa sy tsy misy hevitra intsony ireny ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT