MANDROSONORO TSIROANOMANDIDY

Zaza vao teraka nisy nanary


  • Alarobia 24 Aprily 2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

mihitsy omaly Talata 23 Aprily tokony ho tamin’ny 06 ora maraina no fantatra fa nisy nanary tany Mandrosonoro, kaominina Tsiroanomandidy Fihaonana, raha ny vaovao voaray.Vehivahy iray hamonjy toeram-pivoahana no nahita ilay zaza izay tsy nanao akanjo fa mitafy lamba fotsiny ary mbola misy aina tsara. Nikofokofoka toy ny nitady nono fotsiny izy nandritra izany fa tsy nitomany, hoy hatrany ny vaovao azo. Nodiovina, nomena akanjo sy nomena nono ilay tsy manan-tsiny taorian’izany ary efa nojeren'ny mpitsabo ihany koa. Fantatra fa horaisin’ny fikambanana mpiahy ireo ankizy sy kamboty sy sahirana any an-toerana aloha ity zaza tsy manan-tsiny ity mandrapahafantatra izay tena marina momba azy. Ankoatra ny fahantrana lalina mahazo ny olona ankehitriny moa dia anisan’ny antony mety hanosika ny Renim-pianakaviana hanary ny zanany tahaka izao ihany koa ny fanarian’ny vadiny na ny olon-tiany azy. Na izany aza melohin’ny lalana foana ny famonoana na fanariana zanaka tahaka izao. Adidin’ny Ray aman-dReny hatrany mantsy ny mamelona sy miahy ny zanany.
Pati
Legende : Ilay zaza tsy manan-tsiny !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT