Efa ela loatra ny fe-potoana niasan’ireo ben’ny tanŕna am-perinasa ankehitriny ary efa lany andro ny vanim-potoana niasan’izy ireo ka hampitombo olana hafa indray ny mety ho fanemorana ny fifidianana kaominaly efa voatondro hatao, hoy ny fikambanana “Mandroso Mirindra”
nitafa tamin’ny mpanao gazety teny Ivato omaly. Nambaran’ny filoha nasionalin’ity fikambanana ity, ny Dr Ndimbisoa Mamy Andriamahafaly, aza fa tena tsy hitondra soa ho an’ny firenena ny fitakiana vondron’olona sasany an’izany fanemorana izany sy ny fanoloana indray Pds an’ireo olom-boafidy ireo. Fifidianana eny ifotony no hatao, hoy ny fikambanana “Mandroso Mirindra” ka tsy azo fitahina amin’izany ny vahoaka fa efa fantany ny olona mitakosona aminy amin’ny andavanandrom-piainany. “Fifidianan’ny vahoaka ny olom-pantany miara-monina aminy io ka tsy ho azo amitahana azy”, hoy ny Dr Ndimbisoa Mamy Andriamahafaly, omaly. Nandatsaka kandidà ho ben’ny tanàna amina kaominina maro manerana ny nosy ity fikambanana ity ary nampitandrina fa mety hitarika korontana ny tsy fahatanterahan’ny fifidianana amin’ny andro voatondro.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.