MANDROSEZA –AMBOHIMIANDRA

Ho tapaka mandritra ny 3 andro ny làlana


  • Alatsinainy 22 Jona 2026

Ho tapaka mandritra ny 3 andro ny lalana

eo Mandroseza miazo an'Ambohimiandra. Noho ny asa fanoloana sy fanamboarana ilay fantsona simba sy vaky eny an-toerana no voalaza fa anton'izany. Ho tapaka ihany koa ny rano noho ny asa atao izay goavana tokoa. Fantsona manana savaivo 500mm ary eo amin'ny 180m eo noho eo mantsy no hosoloina tanteraka. Hatomboka anio Alatsinainy 22 Jona ny asa fanamboarana ary haharitra 3 andro izany raha ny nambaran'ny tompon'andraikitra . Ho tonga hatrany Ankadifotsy, Manjakaray, Soavimbahoaka, Nanisana, Ampasampito, Ankadindramamy, Ankerana, Analamahitsy, Ivandry, Soavimasoandro, Ambatobe, Masinandrina, Ambohitrarahaba, Ankadikely, Ilafy sy ny faritra manodididna akaiky an'ireo noho izany ny rano tapaka.Raha vantany vao vita kosa anefa ny asa dia hiverina tsikelikely ny famatsiana rano amin'ireo faritra ireo arakaraky ny fahafenoan'ny tambajotra. Fantatra moa fa hohampitomboina ny isan'ireo fiarabe mpitatitra rano hamatsiana ny tokantrano tsirairay amin'ireo faritra rehetra voakasika ireo hoy ny JIRAMA.
Pati
Légende : Izay izany vao hasiam-panamboarana ity fantsona vaky ity !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT