Actualités

Mandrehitra afo


  • Talata 02 Septambra 2014

Maro ny olona rehefa miresaka amin’izao fotoana dia milaza fa mbola ao anatin’ny tetezamita ihany isika. Tsy misy ny fitoniana, miverina miandry raharaha etsy sy eroa indray ny fiaraben’ny emmo reg, toa misy isan’andro ny olona voaantso any amin’ny zandary fa hoe mila hadihadiana fa manohintohina ny filaminana anatiny

Manomboka mivoaka indray ny resaka milaza fa misy mikononkonona fananonganam-panjakana indray any ambadibadika any. Misondro-bidy ny entana ilain’ny mponina isan’andro, mampiseho fahalemena amin’ny fandaminana sy fifehezana ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny ilay fitondram-panjakana. Mitohy ny fampandriana adrisa hoe : atao ny fampihavanam-pirenena, lazaina fa afaka mody ny sesitany politika, kanefa ny mifanohitra amin’izay aza no atao any ambadika any. Ka tsy fitondrana tetezamita marina ve izany e ? Lazaina fa ho avy ny famatsiam-bola, tsy misy akory anefa ilay izy satria misy ny zavatra tsy maintsy ataon’ny mpitondra aloha vao misokatra ny « robinet ». Tsy misy akory mba fampiomanana, na fanazavana na tena fampianarana sy fanentanana mihitsy fa tonga dia terena handoa hetra amin’ny zava-drehetra ny vahoaka. Ny efa kely karama aza moa mbola sahin’ny fanjakana ihany ny maka 2 000Ar isam-bolana aminy. Tena ilaina tokoa ny tsirairay mba hanaja ny fitsipika sy handoa hetra, saingy tsy fantatra mihitsy izay mahamaika ilay fitondrana. Tsy fantatr’ireo mpitondra mihitsy ve hoe avy nandalo krizy 5 taona anie ity firenena ity ary tena betsaka ny zavatra potika tamin’izany. Ka nahoana no tsy alamina aloha ireny ? Raha tena nahay nandaina sy nahay nampihavana marina i Hery Rajaonarimampianina dia tsy ho tahaka  izao ny fahasahiranany 7 volana taorian’ny naha filoha azy. Ankehitriny manomboka mirehitra etsy sy eroa ny afon’ny fitakiana sendikaly toy ny Air Madagascar, Jirama, mpampianatra FRAM, mpianatry ny Oniversite… Tsy fantatra izay mbola ho avy eo indray. Tsy manana vahaolana matotra amin’ireo mihitsy ny fanjakana raha ny fahitana azy fa dia mitady hanao don-tandroka fotsiny, mandrahona, manapim-bava. Ka inona no fitoniana ho azo avy amin’izany e ?

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT