Actualités

Mandrahona hihetsika ny sendikan’ny mpiasa “Avoahy ny volan’ny CNaPS …”


  • Alarobia 15 Jolay 2020

Vao mainka mitombo ny fahaverezan’asa ankehitriny, tsy mijanona amin’ny “chômage technique” fa efa maro no niroso tamin’ny fandroahana, araka ny tatitry ny Fiombonamben’ny Sendika.

 Misy ny orinasa manao fandroahana faobe, ka hitadiavana fahadisoana hahafahana manao izany. Ny 40% amin’ny orinasa izay any amin’ny faritra tsy anaty fihibohana sisa amin’izao no voalaza fa miodina. Rehefa tsy hanampy ny orinasa amin’ilay fanampiana azo ny fanjakana, ary hanidy ny orinasa rehetra ohatran’izao atao izao, dia avoahy io volan’ny CNaPS io, hoy Atoa Barison Rakotomanga Sekretera Jeneralin’ny Fiombonamb’ny sendika. Misy io vola io, hoy ny Tale Jeneraly, ka avoahy io vola io ary aza andrasana hipoaka na hisy fipoahana ara-tsosialy vao ho taitra isika, hoy ny fanambarany. Tsy hipetrapetraka amin’izao ny mpiasa sy ny sendika. Mihidy tanteraka isika izao, ka mbola hetsika ara-taratasy no ataonay amin’izao, fa efa manomana ihany koa ny zavatra hatao atsy ho atsy satria izay no asan’ny sendika hoe mitady vahaolana, ka rehefa miziriziry manao bemarenina eo ny fanjakana dia hiditra amin’ny lalindalina kokoa izy ireo, raha ny nambaran'Atoa Barison Rakotomanga. Takian’ny sendika ny hamoahana ny vola eo anivon’ny CNaPS hanampiana ny mpiasa, ka nisy ny fanaterana taratasy momba izany teny amin’ny Primatiora, Minisiteran’ny vola sy ny tetibola, Minisiteran’ny asa sy lalàna sosialy, CNaPS,… Manampy trotraka izay, tsy azo heverina ny hahafahan’ny orinasa maro handoa ny hetra na eo aza ny fe-potoana fanalavana hatramin’ny 15 aogositra, fa ny fanafoanana izany no vahaolana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT