Niverina ao amin’ny Lakandranon’i Mozambika omaly 03 febroary maraina ny sisan’ilay rivodoza Freddy rehefa nijanona andro vitsivitsy tany Mozambika.
Malefaka ny heriny ary lavitra ny foibeny avokoa ireo tangoron’orambaratra matanjaka miaraka aminy. Manodidina ny 20 ka hatramin’ny 35 Km/ora ny rivotra akaiky ny foibeny fa hahatratra 50 Km/ora izany ao anaty oram-baratra, raha ny tombana nataon’ny Foibe mpamantatra ny toetr’andro. Ato anatin’ny 4 andro ho avy dia tombanana hikisaka hiatsinanana somary Atsimo Atsinanana ity andro ratsy ity ka hanakaiky ny morontsiraky ny faritra Atsimo Andrefana ny Alahady na ny Alatsinainy ho avy izao. Raha ny antotan-kevitra voarain’ny mpamantatra ny toetr’andro omaly maraina, tombanana hihatsara ny tontolo hivoaran’I Freddy ary ahiana hitombo hery ka ho lasa rivodoza indray izy. Noho izany dia hikorontana miandalana ny toetry ny andro amin’ny morontsiraka andrefana, atsimo andrefana sy Atsimon’ny Nosy nanomboka ny alina teo, raha ny fampahafantarana. Raha ny toetr’andro ankampobeny eto amintsika, tsikaritra ny fisian’ny rotsak’orana matevina efa tato anatin’ny andro vitsy. Ho betsaka ny rotsak’orana (anelanelan’ny 50 hatramin’ny 120mm) amin’ny faritra sy distrika maro eto Madagasikara manomboka anio zoma 04 febroary, raha ny fanamafisana hatry ny afak’omaly. Nahazo filazana fampitandremana miloko mavo noho izany ny faritra Atsimo andrefana. Filazana fampitandremana miloko maitso: Boeny, Ihorombe, Androy, Anosy, Atsimo Atsinanana, Vatovavy, Fitovinany, ny distrikan’i Besalampy, Maintirano, Antsalova, Morafenobe, Belo Tsiribihina, Morondava, Manja, Analalava, Antsohihy, Port-Berger,…
Toky R sy Patti
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.