Actualités

Manda S.A Efa mibanjina ny fetin’ny faran’ny taona ara-tsakafo


  • Talata 23 Septambra 2014

Mbola naverin’ny orinasa Manda S.A nankafizin’ny vahoaka teny Andohalo indray tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo iny ny fampingaroana ny vokatra hazandranomasina masaka sy legioma malagasy.

Tsy ny vahoaka tsotra ihany fa ireo mpikarakara lanonana samihafa sy mpandraharaha ara-tsakafo ihany koa dia tena variana tamin’izany fanehoanay fomba fahandro hazandranomasina izany, hoy Rtoa Razakanavalona Bakoly mpitantana ity orinasa ity. Izahay izao dia efa mibanjina ny fikarakarana ny fetin’ny faran’ny taona, hoy izy, ka maro ihany koa no liana amin’izany tamin’ireo mpikarakara lanonana voalaza ireo. Tena afaka manampy azy ireo tanteraka izahay amin’ny alalan’ny fampiofanana fohy sy fanoroana azy ireo ny fomba fampiasa ny vokatra azo avy an-dranomasina. Manana « recettes » maro amin’izany izahay. Tsy misy « secret » ny amin’izany, hoy izy, fa ny fahaiza-mamorona no ilaina dia ny fampisehoana ny maha malagasy ny tena fa vokatra tena malagasy no ampiasaina.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT