Tafiditra ao anatin’ilay tetikasa volavolain’ny fihadidina ny repoblika ny fanadiovana ny tanŕnan’Antananarivo. Omaly 6 aogositra no nifarana ity tetikasa ity ka teny manarintsoa isotry no namaranana izany
Tsiahivina fa ny faha 14 jolay lasa teo no niatombohan’ny hetsika. Ny tanjona raha ny nambaran’ny Minisitry ny mponina dia ny mba hisian’ny tontolo ianana milamina sy mirindra ary koa mba hanatsara ny fidiram-bolan’ny mponina eny ambany tanàna. Ilay rafitra asa tana- maro moa no nentina nanantanterahana ny fanadiovana(HIMO) ka olona manodidina 150 eo ho eo no mahazo tombotsoa tamin’izany. Ireo lakandrano tsentsina sy ny fanalana tsikafona no tena asa goavana natao. Nisy hatrany ny fiaraha miasa teo amin’ny ministera sy ny SAMVA.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.