Actualités

Manarintsoa Atsinanana Trano 200 may kila, 700 no traboina


  • Alatsinainy 26 Oktobra 2020

Nitrangana haintrano goavana teo amin'ny Fokontany Manarintsoa Atsinanana, ao anatin'ny Boriboritany voalohany ny sabotsy 24 oktobra 2020. Atoandro be nanahary no nanomboka ny afo, niainga tamina trano hazo iray noho ny fandrehetana fatana saribao tany ambony rihana raha ny fitantaran’ny mponina teny an-toerana.

 

 

 

 Nihazakazaka ny fiitaran’ny afo noho ireo trano saika vita amin’ny akora mora mirehitra ny ankamaroany; trano 200 no may kila ary tsy nisy azo noraisina ny entana tao anatiny. Nifanome tanana ny manodidina tamin’ny famonoana ny afo nifarimbona tamin’ny mpamonjy voina ny tanànan’Antananarivo Renivohitra.Somary nanano sarotra ihany ny famonoana ny afo noho ny tsy fahampian’ny toerana hitovozana rano (bouche d’incendie) . Olona no 2 naratra, 700 olona avy amin'ny fianakaviana 145 no traboina sy potika fananana nohariana an-taonany maro vokatr’iny haintrano iny. Nidina teny an-toerana nijery sy nanao tombana ny voina ny minisitry ny mponina Michelle Bavy Angelica, ary ny alin’io fahamaizana io ihany dia nanolotra ireo fanampiana avy amin'ny fitondram-panjakana. Lamba firakotra, lamba fitafy, fanampi-tsakafo ary kojakoja hafa.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT