Actualités

Manarintsoa Anatihazo 500 ariary nanakorontana ny mpiara-belona


  • Alakamisy 24 Jolay 2014

Niakatra ny hafanana teny Manarintsoa Anatihazo omaly vao maraina tokony tamin’ny 9 ora. Anton’ny disadisa, araka ny fitantaran’ny nanatri-maso, ny tsy fandoavan’ilay fianakaviana mpivarotra anana sy legioma amin’ny sisin-dalana manoloana ny trano fonenan’ity rangahy ity ny hofan’ny toerana

Ankoatra ny tapakila tsy maintsy aloa amin’ny fanjakana tokoa mantsy dia sandaina 500 ariary ihany koa ny fipetrahan’ity fianakaviana mpivarotra eo amin’io toerana nisian’ny fifamaliana teo amin’ireo mpanofa trano sy ny mpanofa toerana. Rehefa tsy afaka nanefa ny mari-bola nifanarahana tamin’io fotoana io moa ny mpanofa toerana dia tezitra avy hatrany ilay raim-pianakaviana ka naparitany avy hatrany ireo entana vao natoko. Nahita izany ny manodidina ka tonga nanampy ilay noheverin’izy ireo fa tratran’ny tsindrihazolena. Nirifatra nandositra kosa ilay lehilahy nanakorontana entana raha ireo fianakaviana tao an-trano sisa no nifamaly tamin’ireo olona tety ivelany. Nilaza ireo mpiara-belona fa ny fanjakana irery ihany no tompon’ny sisin-dalana ka tsy manan-jo hitaky vola izany na ny tompon-trano na ireo mpanofa. Azo ambara ho tranga iray maneho ny fahantran-dRamalagasy ve ny toy izany ? Ny tsirairay no afaka hamaly.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT