Manao antso amin’ny rehetra ny CAREA

«Aza dia atsatsoina izay miady amin’ny kolikoly!»


  • Zoma 18 Oktobra 2024

Fanontaniana mipetraka voalohany amin’izao fotoana izao dia ny hoe roso amin’izay

ve izany isika amin’ny ady amin’ny kolikoly, hoy ny manam-pahaizana momba ny raharaham-pitsaràna sady filohan’ny CAREA na «Compagnie des arbitres rapporteurs et experts agréés près les cours et tribunaux de Madagascar», Guillaume Rabetsimamanga, raha ny nambara sy ny asa tanterahin’ny minisitry ny fitsaràna ankehitriny, Rakotomandimby Benjamin Alexis, no resahina? Efa nisy, hoy izy, ireo rafitra natsangana hiadiana amin’io kolikoly io saingy taorian’ny naha voatendry ny minisitry ny fitsaràna vaovao dia nanambara izy fa isan’ny zava-dehibe ho ataony laharam-pahamehana ao amin’ny minisiterany ny ady amin’ny kolikoly. Miseho daholo ny fivoriana, ny dinika amin’ny fifandraisan-davitra na «visioconférence», hetsika maro saingy mbola misy ny kolikoly. Misy ny rafitra maro toy ny BIANCO, PAC, SAMIFIN, ny fiarahamonim-pirenena samihafa sy iraisampirenena toy ny Transparency international sy CSI. Misy ny kolikoly fa misy kosa ny efa zava-bitan’ireo na dia mbola ambany aza ny taha, araka ny fanadihadiana nataon’ireo manam-pahaizana. Ho an’ny manam-pahaizana na «expert» ao amin’ny CAREA dia andalovan’izany ady amin’ny kolikoly izany. Ireo moa izany no miara-miasa amin’ny fitsaràna sy mandalina ny ara-tekinika raha misy zavatra manjavozavo ao anatin’ny raharaham-pitsaràna ka ilàna fanazavàna manokana. Misy manatona ny CAREA mivantana dia mitondra vola sy milaza hoe ampandreseo aho amin’ity raharaha ity fa omeko an’izao ianao. Efa im-betsaka aho no nahazo izay zavatra izay ary nolaviko tanteraka. Fisehoan’ny kolikoly ao amin’ny «expert» koa ny hoe raha tsy manaiky ilay vola ianao dia ampitahoriny, ampihorohoroiny amin’ny finday io na hafa, misy milaza ho mahalala mpitondra fanjakàna mihitsy sy ny rehetra nefa moa mety mandainga ireo olona ireo. Lalàna nefa moa no mifehy sy arahinay dia tsy dia raharahianay loatra ireo endrika isehoan’ny kolikoly ao amin’ny «expert». Samy tomponandraikitra daholo na ny vahoaka na ny mpanao kolikoly fa aza dia manao fijery miiba isika rehefa misy miteny hoe hiady amin’ny kolikoly izahay. Misy avy hatrany dia manatsatso. Aza dia atsatsoina izay miady amin’ny kolikoly! Aza dia atsatsoina dieny mialoha fa afaka 1 taona io na taona vitsivitsy vao fantatra hoe nahomby ve sa tsia ilay zavatra natao? Aleo hanao aloha izay hanao! Ohatran’ny hoe misy manamboatra, hono, ny lalana ary fa akaiky ny fifidianana. Aleo izy aloha hanao eo fa ho hita eo hoe tena lalana hanala ny fahasahiranam-bahoaka ve sa vonjy tavan’andro fotsiny, hoy hatrany ny CAREA manao antso amin’ny olompirenena rehetra?
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT