Manao antso amin’ny depiote i Jimmy Randriantsoa

« Ovay ny lalànan’ny hetran-tany sy hetran-trano fa mamono »


  • Alakamisy 14 Aogositra 2025

Amin'ity taona 2025 ity sisa ireo kaominina manerana an'i Madagasikara no

afaka mitaky ny hetran-trano sy tany ao amin'ny Faritra hiadidiany., hetra niditra tamin'ny taona 2024. Ny ankoatra izay tsy azony raisina intsony raha tsy miova ilay lalana vaovao izay mandefa ny hetra horaisin'ny ivon-toerana fandoavan-ketra izay vao miverina eny amin'ny kaominina . Ho an'ny kaominina Alasora, distrikan' Avaradrano manokana dia mitana ny 10 ka hatramin'ny 15%-n'ny vola entina hampandrosoana ny kaominina io hetran-tany sy hetran-trano io. Izay mandoa hetra ara-dalana ihany araka izany ao amin'izy ireo no afaka misitraka ireo karazana tolotra ao amin'ny kaominina. Raha mila taratasy hahazoana alalana manorina trano ohatra ny olona iray dia tsy maintsy mandoa hetran-tany ara-dalana izy hoy ny Ben'ny tanana Randriantsoa Jimmy. Hiteraka fahasahiranana goavana ho an'ireo olona mila raharaha eo anivon'ny kaominina araka izany ity lalana vaovao ity hoy hatrany izy. Tsy maintsy hivezivezy hilahatra sy handany fotoana eny amin'ny ivon-toerana fandoavan-ketra mantsy ny olona iray handoa ny hetra izay vao hiverina eny amin'ny kaominina. Mila manana 2 herinandro anefa ny kaominina raha kely hikarakarana io taratasy fahazoan-dalana hanangana na hanorina trano io. Miantso ny Depiote hanatanteraka fivoriana handinika ny LFI 2026 araka izany ity Ben'ny tananan'Alasora ity mba hanova io lalana mamono ny kaominina sy mampijaly ny mpandoa hetra io.
Pati
Légende : Randriantsoa Jimmy, Ben'ny tananan'Alasora !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT