Niditra an-tsehatra, nanakatona ny toeram-pitrandrahana harena an-kibon’ny tany tao Tsiangaly-manakana, kaominina ambanivohitra Ambohimiarina II,
ao amin’ny distrikan’i Mananjary ny Prefe sy ny manampahefana rehetra tany an-toerana tamin’ny faramparan’ny volana aprily lasa teo, noho ny fangatahan’ny tompon’ny toerana. Misafotofoto tsy hita farany ny ady ara-pitsarana ifandroritana ny “périmètres miniers” laharana- PE 22309 Sy 26172 izay nifanarahan’ny tompony hampiasain’ny orinasa rosiana iray hatramin’ny 17 jolay 2008, nifanaovana Sonia. Ny fanafoanan’ny mpiasa Malagasy nampitantanin’ireo rosiana roalahy io fifanarahana tamin’ny tompon’ny toeram-pitrandrahana io tamin’ny 25 septambra 2011 ka namadihany ny orinasa ho amin’ny anarany tamin’ny fakana tahaka ny sonian’ireo teratany vahiny nampiasa azy, taorian’izay, no niteraka ny disadisa, araky ny fanazavan’ny tompon’ny toerana. Nampiahiahy hatrany am-boalohany ity raharaha ity, hoy ireo mpitory satria mbola afaka noho ny fisalasalana tao amin’ny fitsarana tao Mananjary ihany ny voampanga ho mpangalatra Sonia tamin’ny 28 febroary 2018 na teo aza ny fanamarinan’ny manampahaizana ny hosoka nataony. Nitohy hatrany amin’ny Fitsarana tampony ny raharaha nefa tsy nisy fivoarany fa naverina hodinihina hatrany am-boalohany tany amin’ny fitsarana any Fianarantsoa indray taorian’ny fandravana didy ny 12 desambra lasa teo ka nahatonga ilay Malagasy tompon’ny toeram-pitrandrahana nampanofaina ilay orinasa, hila vonjy tany amin’ny mpitondra ny faritra Vatovavy-Fitovinany.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.