Actualités

Manandriana Lehilahy iray tratra tsy nanao arotava nanindron’antsy polisy


  • Talata 16 Jona 2020

Polisy iray niampy olon-tsotra iray no notsindrona lehilahy iray tratra tsy nanao aron-tava tamin’ny antsy tany amin’ny kaominina ambanivohitra Anjomanakona, Ambovombe Centre,

 

 

 

 distrikan’i Manandriana ny faran’ny herinandro teo. Rehefa nomena fitaovana mba hanadiovany ny tanana ity lehilahy ity dia fantatra fa namoaka antsy avy any am-paosiny avy hatrany. Nandritra izany no nanindromany tampoka ilay polisy ka nahavoa ny kibon’ity farany raha ny sandriny kosa no voa ho an’ilay olon-tsotra iray teo akaikiny. Nitsoaka avy hatrany ity lehilahy ity nandritra izany. Noho ny fampitam-baovao niparitaka anefa dia natao sarika am-pandriana ny lehilahy ka ny alin’iny Sabotsy teo ihany dia tratra tao an-tokantranony ary efa nentina natao fanadihadiana. Mikasika ilay pôlisy naratra moa dia efa nalefa namonjy ny hopitalibe eo Ambositra ity farany, raha efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy ihany koa ilay naratra iray. Tsiahivina moa fa mbola tsy ahitana ny tsimok’aretina COVID 19 any amin’ny distrikan’i Manandriana saingy na izany aza efa miezaka misoroka sahady ny tsy hahatongavan’ny aretina any an-toerana ny olon-tsotra sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT