Mitohy ny fifanitsohana eo amin’ilay mpandinika politika, Mahery Lanto Manandafy sy ny tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny haino aman-jery Free fm, Lalatiana Rakotondrazafy sy ny vadiny Andry Andriatomanga.
Fanontaniana maro sy miharo fantsy no hitsikeran’ny mpandinika politika, Manandafy, manoloana ny zava-mitranga toy ny tsy fanefan’ny vadin’ity tompona haino aman-jery ity sazy nandritry ny 2 taona an-tranomaizina, ny fanambanany basy etsy sy eroa hatramin’ireo mpanao gazety sy ny fanimbazimbana amin’ny alalan’ny fandavana in-dimy ny fiantsoan’ny zandary ary ny fandrahonana olona anaty tribonaly. Rehefa zanaky ny tonia mpampanoa lalàna ve izany, hoy i Mahery Lanto Manandafy, dia afaka manao ireo rehetra ireo ? Anisan’ny notsikerainy ihany koa ny avy eo anivon’ny sendikan’ny mpitsara na ny SMM izay tondroiny ho mitongilana any amin’ny tompon’ny haino aman-jery Free fm. Rehefa akamakama ve dia tsy maninona raha tsy manaraka ny “code de procedure pénale” ? Inona no idiran'ny sendika amin'ny fitsarana an'i Claudine ? Ianareo no be karama indrindra amin'ny mpiasam-panjakana rehetra eto Madagasikara fa ao aminareo no be kolikoly indrindra. Mbola mitaky “indemnité de juger” 1 tapitrisa ariary koa ianareo isaky ny raharaha tsarainareo aty amin'ny vahoakafa mody i Claudine no tatatataina. Nampanantena ao amin’ny pejy fesibokiny i Mahery Lanto Manandafy fa na dia ampidirina any am-ponja aza ny tenany dia mbola hanohy foana ny ampamoaka satria lazainy fa mbola maro ny antontan-taratasy am-pelatanany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.