MANANASY SOAVINANDRIANA

Mpaka vorona nalentiky ny rano, namoy ny ainy


  • Alatsinainy 02 Oktobra 2023

Lasa fialam-bolin’ireo vahiny tonga tany amin’iny faritra andrefan’ny Nosy iny rehefa faran’ny herinandro tahaka izao ny mitifi-borona.

Maromaro mihitsy izy ireo ary miantso ny tompon-tanana mba haka ny vorona rehefa voatifitra. Anisan’izany i Nirina. Tovolahy kely manodidina ny 18 taona eo ho eo ity farany ary efa havanana amin’io fakana vorona voatifitra io indrindra fa ny eny amoron-drano. Nampalahelo anefa ny zava-nitranga omaly Alahady folakandro. Rehefa nandeha naka vorona voatifitra tao anaty rano mantsy ny tovolahy dia azony soa aman-tsara izany. Rehefa niverina hamonjy ny tanety kosa anefa izy dia nilentika ka tsy nisy azo nataony intsony. Namoy ny ainy ny anaolahy ary tsy mbola hita ny nofo mangatsiakany hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay. Tsiahivina moa fa sady mamono no mamelona ny rano ka tokony samy hitandrina ny rehetra na dia mahay izany aza.
Nangonin’i Pati
Legende : Tahaka izao ireo olona nitangorona tonga nikaroka ny razana omaly hariva !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT