MANANARA AVARATRA

Trano fitobian’entana may kila hotohoton’ny afo


  • Alakamisy 03 Oktobra 2024

Nitrangana firehetana goavana tao amin’ny Fokontany Mananara centre, ao an-tampon-tananan’i Mananara Avaratra

omaly Alarobia 02 Oktobra atoandro tokony ho tamin’ny 12 ora tany ho any. Toeram-pitobian’entana ana mpambongady iray lehibe izay mpivarotra ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro no may kila hotohoton’ny afo tamin’izany. An-jatony tapitrisa Ar no teti-bidin’ny entana may, raha ny vaovao azo, tranom-barotra izay voalaza fa mivarotra solika any an-toerana ihany koa. Hatramin’izao mantsy dia mbola tsy misy tobim-pivarotan-tsolika ny ao Mananara Avaratra na dia tanana lehibe sy be mponina aza . Io tranom-barotra io no mivarotra izany amin’ireo fiara miasa any an-toerana ka amin’ny alalan’ny tavoahangy no hamarana ilay solika. Tombanana ho vokatry ny fandadizan’ny afo nahazo ireo solika amin’ny barika an’arivony litatra hamidin’ity tranom-barotra iray ity any an-toerana ireo no nitarika ny loza. Ny fokonolona araka izany no nifanome tanana namono ny afo ka tamin’ny alalan’ireo fasika mandon’ny ranon’orana no namonoana izany. Mbola tsy manana mpamonjy voina ihany koa mantsy ny ao Mananara Avaratra. Naharitra ora 05 teo ho eo vao voafehy ny afo vokatr’izany. Na izany aza tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy. Miantso ny tompon’andraikitra mba hametraka sampana mpamonjy voina ao an-toerana ny mponina.
Pati
Legende : Tahaka izao ny firedaredan’ny afo tany an-toerana omaly !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT