Actualités

Mananara Avaratra Rendrika ny sambo “Bienvenue”, 9 no maty


  • Alakamisy 12 Jona 2014

Nitrangana loza an-dranomasina tany amin’ny fari-dranomasin’i Mananara Avaratra raha tsy nahenoana vaovao nanomboka ny alahady 08 jona teo ny sambo antsoina hoe : «Bienvenue».

Sambo mitatitra entana sy olona mampitohy an’i Mananara Avaratra amin’ny Faritra SAVA ity sambo ity. Olona miisa 21 ahitana mpanamory sy ny tantsambo ary mpandeha no tao anatiny. Hatry ny omaly dia sivy tamin’ireo ihany no hita faty natsingevan’ny ranomasina. Mbola misy 12 karohina, tsy hay na maty na velona. Tsy hita nanjavonana ka tombanana ho nilentika niaraka amin’ny entana nentiny kosa ilay sambo «Bienvenue». Vao andro vitsy talohan’io loza io anefa dia nisy sambo iray hafa nitondra andramena rendrika tamin’iny fari-dranomasina iny. Nitondra olona fito, mpanamory sy tatsambo, ilay sambo. Mikasika ity farany dia ny fianakavian’ireo tsy hita popoka indray no sahirana fa ireo tompon-tsambo tsy te hahalala mihitsy. Ankoatra izay, dia olana amin’ny fikarohana ireo tra-doza an-dranomasina ireto ny tsy fisian’ny fitaovana avo lenta entina hikarohana ireo razana na olona tsy hita popoka ireo. Manao antso avo amin’ny tompon’andraikitra samy hafa ireo fianakavian’ny maty sy tsy hita ireo mba hijery akaiky ny raharaha, indrindra momba ilay sambo nitatitra andramena izay tsy fantatra mazava mihitsy ny tena anton’ny faharendrehana nahazo ny sambo.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT