Actualités

MANANARA AVARATRA Maty nisy namono tao amin’ny biraon’ny kaominina ny mpiambina


  • Talata 26 Aogositra 2014

Maty nisy namono omaly maraina tao amin’ny biraon’ny kaominina Mananara Avaratra ny lehilahy mpiambina iray sahabo ho 43 taona

Efa tsy nisy aina intsony izy no nisy nahita nivalampatra teo afovoan’ny trano sady nihosin-dra. Ankoatra izay, araka ny vaovao azo, dia nikorontana tanteraka ny biraon’ny Ben’ny tanàna toy ny nisy nisava sy nikaroka. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana any an-toerana ny raharaha. Raha ny vaovao voaray moa dia mety ho fankahalana ity mpiambina ity sy fitiavana haka zavatra tao amin’ny biraon’ny Ben’ny tanàna no nahatonga izao famonoana izao.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT