Actualités

Manampahefana HAT : Mifandimby mahazo medaly, fa nahoana ?


  • Alatsinainy 01 Febroary 2010

Raha ampitahaina ny zava-nitranga taminny fitondrana rehetra nifandimby teto Madagasikara, dia mitana ny laharana voalohany aminny fizarana mari-boninahitra ity tetezamitan-dRajoelina ity.

Mirarakopana, araka ny fomba fitenenana, tokoa mantsy ny fizarana medaly sy mari-pankasitrahana tato anatin’ny volana vitsivitsy izay, fa isaky ny misy fety eny anivon’ireny minisitera ireny, na any amin’ny sampandraharaham-panjakana hafa dia tsy maintsy misy fizarana medaly. Tsy misy maharatsy izany velively, indrindra moa fa raha ho fankasitrahana ireo mpiasa handeha hisotro ronono, na ireo tena nahavita be ho an’ny firenena.  Ny mahatalanjona dia mifanesy mahazo medaly sy mari-boninahitra ihany koa ireo manampahefana HAT (Minisitra na mpikambana HAT), izay tsy nisy nihoatra ny 12 volana ny naha minisitra azy, na dia iray aza. Misy minisitra aza moa dia sady nahazo tamin’ny fitondrana Malagasy no mbola nahazo tamin’ny fitondrana frantsay ihany koa.
Tsy hoe fanakianana be fahatany, fa tsy hita koa hoe inona ny zavatra nivaingana vitan’ireo minisitra nahazo medaly ireo tamin’ny departemanta notantanany tao anatin’izay folo volana izay ? Ka inona ary ny antony nampisalorana azy ireo ny mari-boninahitra ? Mandeha ny resaka eny anivon’ny vahoaka eny fa toa hoe ho fankasitrahana azy ireo tamin’ny fandrodanana ny fitondrana teo aloha, hono, no anton’izany. Ao koa ireo milaza fa salorana medaly sy mari-boninahitra isan-karazany ary amin’ireo tena manan-danja ny manampahefana amin’izao fotoana, amin’izay sarotra samborina sy tsy azo ampidirina am-ponja maimaika, satria efa manamboninahitra ara-bakiteny eto amin’ny firenena. Misy tokoa mantsy ny fepetra manokana tsy maintsy arahana raha toa ka olona manana medaly sy mari-boninahitra no voarohirohy amina raharaham-pitsarana. Tsy tahaka ny olom-pirenena tsotra ireny olona ireny fa manana sata manokana. Ka sanatria, dia mety ho izay ve no tanjona amin’izao fizarana medaly isaky ny mihetsika izao ? Na mitombona izany vinavina izany na tsia, dia manahiran-tsaina ny vahoaka ny mahita isan’andro amin’ny fahitalavitra sy amin’ny gazety fa tena lavitry ny fitaintainana fa sady bolangina, no manana fiara tsara, arahina mpiambina mitam-piadiana, no mbola mahazo mari-boninahitra ao anatin’ny fotoana faran’izay fohy ny manam-pahefana ao anatin’ny tetezamita tantanan’i Andry Rajoelina izao. Ny ankamaroan’ny mpiasam-panjakana anefa dia an-taonany maro nametrahana fangatahana vao, mety hahazo izany mari-boninahitra izany.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • Gérard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • Fiaraha-miasa
  • Zoma 17 Aprily 2026

MEDD-Durrell Madagascar Hampiasa “drones”

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT