Actualités

Manamboninahitra lefitra miisa 119 indray no navoakan’ny sekoly ambonin’ny Miaramila Antsirabe na ny ACMIL izany omaly zoma 25 Jolay 2014


  • Sabotsy 26 Jolay 2014

Mitsinjara ho andiany 3 ireo manamboninahitra lefitra navoaka ireo ka teo ny andiany

mivantana faha 35 nisalotra ny anarana «  Hiratra », izay niisa 67 mianadahy ka nisy teratany Tôgôle 4 sy Nizerianina 2 ary vehivavy 6.  Teo koa ny andiany iraisam-piadiana faha18 izay niisa 40, nisalotra ny anarana : « Iraidia » ary ny andiany manokana faha 20 izay niisa 12 mianadahy ka saika mpitsabo avokoa izany. Ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina moa no tonga namoaka ireto mpianatra ireto tany Antsiraba omaly. Nialoha ny famoahana ireto mpianatra ireto dia nisy ny fitsofan-drano ireo andiany faha 37 izay vao hanomboka ny fianarany ao amin’ny sekoly sy
ny famindrana ny sabatra avy tamin’ireo andiany faha 35 ho amin’ny andiany faha 36. Nialoha ity lanonana ity dia nisy nyfotoam-pivavahana natao ho an’ireo mpianatra hivoaka sy ny hiditra ny alakamisy tolakandro ary narahina ny fanolorana ny mari-pahaizana ho an’ireo manamboninahitra lefitra vao hivoaka izany.Tamin’izany ihany koa no nanambarana tamin’ny fomba ofisialy ny fanombohan’ny fandaharam-pianarana ahazoana ny « Licence en Science de la Défense », manomboka izao ao amin’ity sekoly ambon’ny miaramila Antsirabe ity.
Ampatsahivana moa fa efa nisy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa mahakasika izany tamin’ny volana mey lasa teo izay niarahan’ny Akademia Miaramila, ny Oniversiten’Antananarivo, ny minisitera ny fiarovam-pirenana ary ny ministeran’ny fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT