Actualités

Manambolo Tsiroanomandidy Tsy hita ny fianakavian’ilay tovolahy nisy namono


  • Alakamisy 16 Martsa 2023

Tovolahy iray manodidina ny 27 taona no hita faty tany amin’ny kaominina ambanivohitra Manambolo, distrikan’i Tsiroanomandidy, ny fiandohan’ny herinandro teo.

Feno ratra ny tarehin’ity tovolahy ity. Karazan’ny notrobarana tamin’ny antsy ihany koa ny kibony, raha ny fahitana azy, antony nahatonga ireo rabe niparitaka tao an-damosiny. Tokony ho tamin’ny 09 ora sy sasany maraina moa no nahitana ny razana raha vinavinan’ireo nanatri-maso ho mety ny alina talohan’izay kosa no namonoana azy. Raha araka ny vaovao azo moa dia tsy hita ny havan’ity tovolahy nisy namono ity. Tsy nisy nahalala rahateo izy hoy hatrany ny loharanom-baovao ka noraisin’ireo tompon’andraikitra ny andraikiny. Tsiahivina moa fa mihamahazo vahana ny vono olona eto amintsika ka tokony samy hitandrina ny rehetra indrindra fa ny fodiana alina loatra.
Nangonin’i Pati
Legende : Nihosin-dra tahaka izao ilay tovolahy nisy namono
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT