Manam-pahaizana ambony navoakan’ny HEA

Tafatsangana ny birao vaovao, vonona hampandroso ny firenena


  • Alatsinainy 26 Febroary 2024

Tafatsangana ny Sabotsy 24 Febroary lasa teo ny birao vaovao hivondronan’ireo

andiany samihafa miisa enina nivoaka avy tao amin’ny sekoly ambony momba ny fitantanan-draharaha na ny HEA eo anivon’ny Ecole Nationale d’ Administration (ENAM). Andiany nivoaka nanomboka tamin’ny taona 2014 izy ireo izay efa mahatratra 800 isa ankehitriny, nofaranan’ny andiany fahaenina nivoaka tamin’ity taona 2024 ity. Nambaran-dRasoloson Hery, izay mitarika ny andiany voalohany nivoaka tao amin’ny DHEA ireo fa tena afaka mampandroso tsara ny firenena miaraka amin’ny Fitondram-panjakana izy ireo raha ilaina izany. Olona efa saika voky traikefa avokoa mantsy ny mpianatra navoakan’ny ENAM hoy hatrany izy izay misy Ministra, dokotera, magistrat, directeur , jeneraly…. Nisy ny fihaonana notanterahin’izy 6 mianadahy ireo tamin’io andro io nananganany ny birao vaovao hiasa mandritra ny 4 taona ho avy, hamondronana ireo mpikambana no sady handrindrany ny paikady hahafahan’izy ireo manatratra ny tanjona hokendreny ihany koa. Lohalaharana amin’izany ny tokony hametrahan’ny Fitondram-panjakana azy ireo amin’ny toerany, indrindra eo amin’ny resaka fitantanan-draharaham-panjakana manaraka ny fivoarana sy ny toetr’andro anaty fahamendrehana mba hahafahana mampandroso an’i Madagasikara. Nomarihin- dRasoloson Hery mantsy fa tsy politisianina ihany no ilaina eto amin’ny firenena fa ilaina ihany koa ny teknisiana toa azy ireo izay vonona hametraka ny fenitra avo lenta sy matihanina amin’ny fitantanan-draharaha ary hisokatra amin’ny fiaraha-miasa maro lafy. Tsiahivina moa fa nahazo fiofanana avo lenta momba ny fitantanan-draharaham-panjakana, ny fitantanana ara-bola, ny diplaomasia sy ny fifandraisana iraisam-pirenena ary ny mahakasika ny teknolojian’ny fifandraisana sy ny serasera izy ireo.
Pati
Legende : Ireo mpikambana ao amin’ny birao vaovao hivondronan’ireo manam-pahaizana nivoaka tao amin’ny HEA eo anivon’ny sekoly ambony ENAM !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT