Actualités

Manalalondo – Arivonimamo Kaomisera nenjehina tamin’ny sabatra


  • Sabotsy 08 Aogositra 2015

Saika nivadika vono olona sy ra mandrika mahatsiravina ny tsy fahazakana voka-pifidianana kaominaly farany teo tany Arivonimamo.

 

 Kaomisera rejionalin’ny Ceni-T no lasibatra raha tonga nanara-maso ny fizotry ny fifidianana tamina Kaominina maromaro tany amin’ity Distrika ity. Tao Manalalondo, nanangonana ny voka-pifidianana tamin’ireo Kaominina manodidina, no saika zava-doza. Nisy nifofo ny ain’ilay kaomisera, telo lahy no nanenjika azy tamin’ny sabatra ny sabotsy vao maraina, ny ampitson’ny fifidianana. Nitsoaka niafina tamina toeram-pivarotana no naha avotra azy. Nametraka fitoriana izy noho io tranga io, ka ho hita eo ny tohiny. Ezaka lehibe no miandry ny antoko amin’ny fitaizana ny mpikambana ao aminy tsy ho tonga amina toe-javatra toy izany.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT