Manakara_Vehivavy nanary zanaka

Naiditra am-ponja vonjimaika omaly


  • Alakamisy 18 Janoary 2024

Vehivavy iray vao 24 taona no naiditra am-ponja vonjimaika rehefa nanary

ny zanany vao efa-bolana monja tany amin’ny Fokontany Andrigna Manakara. Rehefa naharay antso tamina olona tsara sitrapo ny mpiahy ara-tsosialy iray fa misy zaza menavava iray nisy nanary teny amoron-drano tao amin’ity tanana ity dia avy hatrany dia nidina teny an-toerana izy nijery ny zava-misy ary nitondra ilay zazavavy kely tany amin'ny mpitsabo no sady nampilaza ny polisy. Nanokatra fanadihadiana sy nanao ny fikarohana ireto farany ka fantatra nandritra izany fa ny Reniny ihany no nanary io zazavavy kely io. Rehefa natao famotorana moa io Renim-pianakaviana io dia niaiky izy fa tena nariany tokoa io zanany io. Noho ny ditrany no voalaza fa anton’izany. Efa nanana ny ditrany tany Sahasinaka mantsy io tovovavy io ary nandrahona ireo Ray aman-dReniny fa hoariny ilay zaza raha toa ka tsy omen’iretsy farany vola izy. Natolotra ny fampanoavana omaly Alarobia 17 janoary moa ilay renim-pianakaviana ary naiditra am-ponja vonjimaika. Efa noraisin’ny fianakaviany an-tanana tsara kosa zazavavy kely tsy manan-tsiny.
Pati
Legende : Ity ilay zaza nariana !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT