Actualités

Manakara : Niverina nandray asa ny ekipan’ny Ben’ny tanŕna


  • Sabotsy 23 Janoary 2010

Niditra birao, nandray ny asany nanomboka ny alakamisy 22 janoary 2010 ny ekipa mpanatanteraka ao amin’ny Kaominina ambonivohitra Manakara, tarihin’ny Ben’ny tanŕna Andriano Giscard.

Izany dia taorian’ny nanamafisan’ny Filankevi-panjakana, nandritra ny raharaham-pitsarana ny alakamisy 14 janoary 2010, ny didy fampiatoana laharana faha-160 navoakany ny 15 desambra 2009, mampihantona ny fampiharana ny didim-pitondrana laharana 49644/2009 tamin’ny 19 novambra 2009 navoakan’ny Primatiora lefitra misahana ny atitany manendry delegasiona manokana hitantana ny tanànan’i Manakara. Nangata-panazavana mikasika ny andininy faharoa tamin’io didy fampiatoana laharana faha-160 navoakan’ny Filankevi-panjakana i Andriano Giscard. Andininy izay milaza fa « mihantona ny fampiharana ny didim-pitondrana laharana 49644/2009 tamin’ny 19 novambra 2009 manendry delegasiona manokana ahitana an’i Sileny Herimanitra Alban (filoha), Benja Andriatsizehena Parfait (lefitra voalohany) ary i Maharetasoa Gabriel (lefitra faharoa) hitondra ny tanànan’i Manakara ». Nohamafisin’ny Filankevi-panjakana ny didy. Vokany, tsy manan-kery ny didim-pitondrana laharana faha-41/09/REG/VAT-FIT/CR navoakan’ny Faritra Vatovavy Fitovinany ny 21 desambra 2009 mampihantona vonjimaka amin’ny asany ireo mpikambana rehetra ao amin’ny birao mpanantanteraky ny Kaominina Manakara sy ny Delegasiona manokana. Io didy navoakan’ny Filankevi-panjakana io koa no mamerina amin’ny toerany an’i Andriano Giscard hanao ny asa maha Ben’ny tanàna azy, sy ireo mpiara-miasa aminy rehetra hanohy ny asany, mandra-pivoakan’ny didy fandravana.

Nisedra olana ny tanànan’i Manakara nandritra ny fotoana tsy nahafahan’ny ekipa mpanatanteraka niasa tamin’ny namoahan’ny Faritra didim-pitondrana tsy namela azy ireo hiasa. Naloto ny tanàna, nanahirana ny fandoavana ny karaman’ny mpiasa. Tsy miditra ny vola, tsy nisy mpanao sonia tao amin’ny Kaominina. Nahatsiaro ho tsy misy mpiahy ny mponina tao Manakara teo anatrehan’izany. Manantena izy ireo fa hivalona hatreo ny olana politika fa hijery ny fampandrosoana amin’izay. Efa am-perinasa rahateo ireo tompon’andraikitra. Mbola tavela eto an-drenivohitra mikaroka mpiara-miombon’antoka ara-pampandrosoana ny tanàna ny Ben’ny tanàna. Amin’ny faran’ny volana any ny tenany no hidina any an-toerana.
 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT