Actualités

Manakara Mbola miandry ny seranam-tsambo sy ny tetezana


  • Talata 15 Desambra 2015

Sady marary no mangirifiry ny miresaka ny seranam-tsambo any Manakara sy ny tetezana ao Manakarabe izay mifampiankina ary hiankinan’ny famoaham-bokatra any amin’iny Faritra Vatovavy Fitovinany iny amin’ny ankapobeny, hoy ny depiote

 

Zafimahatratra Abel voafidy tany an-toerana, satria efa in-jato mahery, tany amin’ny 114 tany raha kely indrindra, ny tena no nampahatsiahy ny tompon’andraiki-panjakana ny amin’ny tokony hamitana ireo fotodrafitrasa ireo nefa tsy mahaketraka ny miangavy ny hamitana azy ireo fa miankina amin’ny fahavitan’izy ireo fotodrafitrasa ireo ny fampandrosoana an’i Manakara. Voatery hoentina amin’ny fiara lehibe ny vokatra avy any an-toerana ka mampiaka-bidy azy izany ary manakivy ny mpandraharaha mpanangom-bokatra ka manjary tsy misy miasa intsony any. Ny “pont Bailey” misy ankehitriny ao Manakarabe izay tetezana vonjimaika ve ahafahana mampandroso marina an’i Manakara ? hoy ity depiote ity.  Tany aloha dia nazoto niasa ny olona satria nisy ny orinasa toy ny  sté Marseillaise, ny Compagnie Lyonnaise, ny  Cntrh, ny Somacodis, ny Sice, ny Auximad, ny Sté Ramanandraibe sns… niasa nanao lavanila, “poivre” sns… tany sy nanangom-bokatra tany an-toerana dia nisy tokoa ny asa hoan’ny rehetra ary dia nazoto namboly ny mponina.Taty aoriana dia nokapain’ny olona ny fototra kafe noho ny tsy fisian’ny famoaham-bokatra tamin’ny tsy fihodinan’ny “Port” ka nitotonganan’ny vidiny ary dia nosoloiny tanimbary ny toeram-pambolena. 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

Hijery ny tohiny
FTT