Manaitra ny rehetra ny vondron’ny kandida

Misy birao fandatsaham-bato matoatoa 800 mahery ao Toliara


  • Alatsinainy 16 Oktobra 2023

Tato amin'ny Magro Andaboly indray no nifamotoana ny solontenan'ny vondron’ny kandida 11 ao Toliara ny sabotsy

14 lasa teo. Mitohy ny tolona, manohana ny fitakiana izay ataon'ireo Kandidà miisa 11 ao Antananarivo renivohitra izahay, hoy nifandimby nikabary .
Tsy azo ekena ny firotsahan-kofidian'i Andry Rajoelina noho izy tsy malagasy intsony rehefa nisafidy ny hamafa izany ny taona 2014, satria nangataka ny hahazo zom-pirenena Frantsay ary nahazo izany ; nazava tsara ny voasoratra ao amin’ny andininy faha 42 nn’ilay lalàna momba ny zom-pirenena Malagasy
Tsy azo itokisana ihany koa ireo rafitra mikarakara fifidianana ireo, hoy ny mpanarada ny vondron’ny kandida ao Toliara satria mitanila tanteraka, toy ny HCC, CENI ary indrindra io governemanta izay tsy manara-dalàna io.
Miantso antsika vahoaka malagasy rehetra samy hijoro amin'ny maha malagasy antsika, tsy sanatria isika indray no hanatsatso sy hamafa ny ady tamin'ny vazaha izay nataon'ireo razam-be tsika tamin'ny 1947, hoy hatrany ny mpanaradia ny vondron’ny kandida ao Toliara . Notsipihan’izy ireo ,azava anefa fa tsy misy matahotra fifidianana ny eto, fa atsangano aloha ny Cour électorale spéciale na fitsarana manokana momba ny fifidianana mba hampadio ny lalao, ary mila atao fitsirihina io lisim-pifidianana io. Ny fanadihadiana nataonay, hoy hatrany ny solontenan’ny vondron’ny kandida ao Toliara dia efa nahitàna fa misy ireo Fokontany matoatoa, ary birao fandatsaham-bato matoatoa miisa 800 mahery ato amin'ny Faritanin’i Toliara.
Tsy azo ekena izany.

Nangonin’i RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT