mangataka fanintsiana ny fanagiazana ny volany
Nangataka ny hanintsiana ny baiko fanagiazana ny fananan’i Mamy Ravatomanga ao Maurice ny mpisolovava azy Me Joy Beeharry (mpisolovava) sy Harsha Gobin (avouée). Hahafahany manefa ny fitsaboana sy ny filany manokana no nambara fa antony. Ny kaontim-bolany izay tamina banky maorisianina 4 eo, saingy nogiazan’ny Fanjakana any an-toerana noho ny raharaha mahasarongotra azy. Nanaraka an’io isika satria efa notaterina teto omaly fa nogiazan’ny Fanjakana Malagasy ihany koa ny kaontim-bolany miisa 30 eo amina banky miisa 5 eto Madagasikara. Narahin’ireo fisavana na « perquisition » samihafa izay mbola nitohy tato ho ato saingy somary mampametra-panontaniana ihany hoe : tao anatin’ny fe-potoana teo anelanelan’ny 25 septambra nanombohan’ny tolona ka hatramin’ny 11 oktobra nialan’i Mamy Ravatomanga teto amin’ny Firenena ve tsy efa nadio ny tanàna ? Ny tatsy Maurice omaly, nentina tao amin’ny fitsarana tampony ao Maurice ny 19 novambra 2025 io fangatahana mikasika ny fanintsiana ny fanagiazana ny volany io, saingy nihemotra ny 03 desambra. Raha tokony hiakatra fitsarana sy fandinihana ny fangatahany fahafahana vonjimaika, dia nahemotra ny 27 novambra izao indray ihany koa. Nisy ihany koa moa ny toromarika sy fangatahana fahafahana manao maka aina na manao « repos » ho an’i Mamy Ravatomanga nangatahan’ny mpitsabo azy. Mihemotra lava aloha izany hatreto ny raharaham-pitsarana ka asa hoe : hanao ahoana ihany no hiafarany ? Tena ho afaka hisitraka sy hitaky ireo heverina fa vola sy fananana mety ho azo tsy ara-dalàna teto Madagasikara mety nentina tany ve isika sa dia hoe : izay namono ny voay no hiravaka ny vanginy raha ho tonga amin’izany ? Nifanindry ihany koa tamin’ny fahatongavan’ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron atsy Maurice koa ny omaly 20 novambra, ka somary takona ny raharaha Ravatomanga. Ny volana aprily nandritra ny fitsidihany taty amin’ny ranomasimbe Indianina sy ny fiantrehany ny fihaonan’ny Kaomisionin’ny Ranomasimbe Indianina no tokony handalo tao Maurice i Emmanuel Macron saingy nofoanana tampoka noho ny tsy maintsy nanatrehany ny fandevenana ny Papa Ray masina teo aloha. Asa mety ho voaresaka amin’ny diany ao Maurice ve ny raharaha Mamy Ravatomanga ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.