Mamy Ravatomanga

Mitombo ireo voarohirohy,


  • Zoma 14 Novambra 2025

hotsaraina ny 20 novambra…

Omaly 13 novambra ny daty voatondro hiverenan'i Mamy Ravatomanga hiatrika fitsarana fanindroany tao Port Louis, saingy nahemotra amin’ny 20 novambra indray, rehefa voalaza fa mbola manaraka fitsaboana ny tenany. Ity mpandraharaha ity izay natao « angioplastie » tao amin'ny hôpitaly Victoria, tamin'ny alatsinainy lasa teo, rehefa tsikaritry ny mpitsabo azy fa nisy lalan-dra roa tsentsina tao aminy. Na izany aza, naverina any am-ponja i Mamy Ravatomanga. Ankoatra azy, omen'ny tribonaly ao Rose-Hill fahafahana "sous caution" Rs 500 000 i Junaid Haroon Fakim rehefa niakatra fitsarana omaly maraina. Fampiasana ny asam-panjakana ho an'ny tombontsoany manokana sy ny fanitsakitsahana tsiambaratelo no hanejehana azy, noho ny fivoriana nandraisany anjara ka natrehin'i Mamy Ravatomanga tamin'ny 14 Oktobra 2025 tao Quatre-Bornes. Zary lasa vazivazy sy mampametra-panontaniana moa ny fihetsik’ireo voasaringotr’ity afera ity hoe tena marary sa mody marary fa dia milaza ho marary ihany koa i Junaid Haroon Fakim, ka nentina tamin’ny seza misy kodiarana omaly. Ankoatra ireo voarohirohy samihafa, voatonontonona ihany koa ny Tale Mpisolo toerana ao amin’ny FCC, ny Commissaire Titrudeo Sanjay Dawoodarry, ao anatin’ny raharaha kolikoly entina manindry sy fanararaotana fahalalahan’olona (trafic d’influence). Voalaza ho efa nanao fametraham-pialàna sy natao famotorana izy noho io antony io. Nohenoina tao amin’ny Fitsarana tao Port Louis ny 10 novambra teo i Nasser Beekhy. Nitoroka kolikoly enti-manindry hatrany amin’ny 350 Tapitrisa Roupies Maorisiana izy teo anoloan’ny FCC. Na izany aza, nisy ihany koa ny filazany fa raha mbola eo am-pelantanan’ny FCC izy, dia tsy hamoaka velively ny fahatafidiran’i Sanjay Dawoodary amin’ity raharaha ity. Mbola mangotraka io raharaha io ao Maurice izay tsiahivina hatrany fa volabe tsy toko tsy forohana no isan’ny lokan’ady na « enjeu » goavana ao anatin’ny raharaha Mamy Ravatomanga : kaontim-bola 180 tapitrisa dolara, famotsiam-bola 640 tapitrisa dolara, hosoka ara-bola tamin’ny informatika 20 miliara dolara,… Lasa ny nivadika ho raharaha iraisam-pirenena. Sarotra ny làlan-kivoahan’i Mamy Ravatomanga sy ny ekipany raha ny fivoaran’ny raharaha, ka isan’ny katsahan’ny Maorisianina fatratra ireo harena sy vola tafiditra amin’ity raharaha ity.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

  • SAVOROVORO TENY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

AMIN'NY 67 HA

  • HERISETRA AMIN’NY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

MAHALAHY SY MAHAVAVY

  • Saran'ny fampiasana "drones"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Mahatratra 1 560 000Ar hatreto...

  • Firosoana amin’ny
  • Alarobia 29 Aprily 2026

fampiasàna nomerika

Hijery ny tohiny
FTT